Other News

Baolina kitra – «  Mondial 2026 » ; mpilalao telo vaovao handrafitra ny Barea de Madagascar

Vonona ny Barea de Madagascar hiatrika ny Coelacantes Comores, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ ny «Mondial 2026». 25 ireo nantsoin’ny mpanazatra hiatrika izany atsy Afrika Atsimo, ka ny telo vaovao. Namoaka ny anaran’ny Barea, hiatrika an’i Comores amin’ny fifanintsanana ho an’ny «Mondial 2026», tetsy Isoraka, omaly, ny Me Rôro, mpanazatra. […]

Asa soratra sy hosodoko: nizara ny fahaiza-manaony Ralantoaritsimba Nirina

Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Anta­na­narivo (AFT) Andava­mamba, ny hetsika niarahana tamin-dRalantoaritsimba Nirina, Malagasy manana ila frantsay, mpanoratra sady mpanao hosodoko. Atrikasa mahaka­sika ny hosodoko sy ny fanoratana no nandravahana izany. Nandritra ny hetsika no nizarany ny traikefany eo amin’ny maha mpanoratra sy mpiangaly hosodoko azy. Ankoatra izay, tanjona […]

Sivy andro aty aoriana : tratra ireo jiolahy mpamono olona

Voasambotry ny zandary, omaly, ireo jiolahy roa tompon’ antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao amin’ny distrikan’i Maevatanana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, lehilahy iray notifirin’ny jiolahy ka nalevin’izy ireo antsokosoko. Sivy andro taorian’ny famonoana anefa no hita ny fatiny. Ny 8 mey 2024 lasa teo no nitranga ity vono […]

Hafatra Pantekoty avy amin’ny FFKM: “Aoka tsy hampanantena poakaty sy hividy safidy”

Hentitra koa ny fanambaran’ny eo anivon’ny FFKM tamin’ny hafatra Pantekoty navoakan’izy ireo, omaly. Anisan’izany ny momba ny fifidianana depiote sy ny olana sosialy amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny hafatra fa tokony halavirina ny korontana sy ny tabataba amin’izao fifidianana izao. “Aoka ianareo kandidà mba tsy hananararaotra ny fahasahiram-bahoaka ka hividy safidin’izy […]

Tetikasa ODOF- Manandriana : hanodina voasary 20 t isan’andro ny milina

Mitohy ny politikam-panjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony. Napetraka ao Manan­driana, faritra Amoron’i Mania, ny alakamisy teo, ny ozinina hanodina ny voasary ho ranom-boankazo, voasary makirana marihitra na koa ho lohamenaka izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF). Noho izany, hanodina voasary hatramin’ny 20 taonina isan’andro […]