Other News

Nanolan-jaza 13 taona: naiditra eny Tsifahy ilay raikely nahavanon-doza

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ny lehilahy iray nanolan-jaza 13 taona, afakomaly. Raikelin’io zaza io ity nahavanon-doza ity. Nohararaotiny nanamparana ny filan-dratsiny io ankizy zana-badiny io. Tsy sahy nitoroka noho ny tahotra anefa ireo fianakaviany. Naharay fitarainana ny mpitandro filaminana fa niharan’ny fanolanana ny zazavavy 13 taona monina ao […]

Nanararaotra fiara tra-doza: tratra ireo efa-dahy nandroba

Voasambotry ny zandary afakomaly, ireo efa-dahy nandroba fiara tra-doza tao Anjiajia, fokontany Manjakava­radrano, kaominina Mahatsinjo. Nalain’ireo olon-dratsy ireo ny entan’ny mpandeha tao anatin’ny fiara niharanon-doza, ny 7 mey lasa teo, tamin’ny 1 ora sy fahefany maraina. Naratra nandritra io voina io ny mpandeha iray izay mpitsara baolina kitra iraisam-pirenena. Tsy […]

Nariana tao anaty dabam-pako : fatim-behivavy nodorana!

Hita tao anaty dabam-pako ny fatim-behivavy iray, omaly, teny Talatamaty,Ambohidratrimo. “Novonoina dia nodorana, avy eo natao tanaty gony izy”, hoy ny mpitsabo sy ny zandary nanao fizahana teny an-toerana. Fatim-behivavy efa may sady nifatotra tao anaty gony hitan’ny fokonolona teny amin’ny fokontany Fitraofana, Kaominina Tala­ta­maty, distrikan’Ambohi­dra­tri­­mo, omaly maraina. Mpa­nary fako […]