Other News

Lomano – Tompondakan’i Frantsa: Mifaninana any Montpellier i Eliot

Nanomboka ny 14 jona lasa teo ary hitohy hatramin’ny 19 jona izao ny fiadiana ny tompondakan’i Frantsa taranja lomano, tontosaina ao amin’ny dobo filomanosana Olympique Angelotti ao Montpellier. Toy ny efa fanao isan-taona, mandray anjara amin’ity fifaninanana ity ny Malagasy mpilomano milaravinahitra any Frantsa, Rakotondramanga Eliot. Efa niditra an-tsehatra teo […]

VAOVAO TAMBATRA

Hotanterahina ny 20 sy 21 jona ho avy izao, etsy amin’ny Carlton Anosy, ny « salon biolojika”, andiany fahefatra. Hetsika hanandratana avo ny vokatra eto an-toerana, bio, sy hanentanana ny tsirairay hanaja ny tontolo iainana. Feno ny fandaharam-potoana mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika. Hisy ny fampirantiana sy atrikasa ary […]

Fanjifana: Tafakatra 4 200 Ar ny kilaon’ny lafarinina

Tao anatin’ny herinandro, niakatra ho 4 200Ar ny kilaon’ ny lafarinina eny an-tsena, raha mbola novidiana 3 200 Ar teo aloha. “Nahitam-piakarana manodidina ny 800Ar ka hatramin’ny 1 000Ar”, hoy Rakotondrabe, mpivarotra eny Ambondrona. « Mihena ny mpanjifa. Ireo mpivarotra mofo, mpanao mofomamy ary ireo mpanao tsena kely sisa no mividy eto aminay », raha […]

AFD: Namatsy vola hatramin’ ny 13,7 miliara euros

Tafakatra hatrany amin’ny 13,7 miliara euros ny fama­tsiam-bola nataon’ny Agence française de développement (AFD), ny taona 2024. Maherin’ny 1 250 ireo tetikasa nisitraka izany ho an’ny tombontsoan’ny mponina sahirana sy hanohanana ireo tetikasam-pampandrosoana. « 10 taona taorian’ny fankatoavana ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy (ODD) sy ny Accord de Paris dia faly aho milaza […]