Tontosa omaly ny « Fiofoana 2025”, fampisehoana soradihy notontosain’ny Cie Rary. Nifamotoana tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ireo mpankafy dihy sy ireo mpandihy avy amina tarika maromaro toy ny Cie Rianala, Cie Safiotra, Jarim’s Company, Cie Rainah, Cie Summer Slam ary ny Cie Rary, mazava loatra. Fehezam-boninkazo ho an’ny reny, ny fampisehoana […]
Other News
Fankalazana ny faha-25 taona: Hanao seho maimaimpoana ny Singers of Jesus
Hanamarika ny faha-25 taona nijoroany ny antoko mpihira, Singers of Jesus. Hankalazaina amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra izany amin’ity taona ity. “Nanaovana an-tsapaka sy nametrahana masontsivana ireo fiangonana hisitraka izany seho maimaimpoana izany ka miisa 10 ireo nahafeno ny fepetra”, hoy ny tomponandraikitry ny tarika, Rasamimanana, tetsy Ampasamadinika, ny sabotsy teo. […]
Solika : Miampita ny kanto
Elaela no tsy hita an-tsehatra. Tsy nisy nipika kosa ny nanavaon’ny Solofo Lian-Kanto na ny Solika, ireo hira teatraly fanaon’izy ireo, nandritra ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Mivoy ny fihavanana, ny firaisankina fa indrindra ny fitiavana avokoa ireo hira nosafidian’ny Solika, natao ho fehezam-boninkazo ho an’ireo reny izay […]
Fampisehoana hatsikana : Miakatra ireo mpandimby, mitoetra ny lazan’ireo zoky
Niverina amin’ny heriny sy ny lazany ny “Fetin’ny maman’Ty”. Hipoka mpijery te hitokelaka, hiala voly hatramin’ny farany Antsahamanitra. Toa ny seho rehetra, nisy ny tena tsara, nisy ihany koa ny tsy nahafa-po ireo mpijery. I Francis ihany no Turbo. Na eo aza ny taona mandroso sy ny mety hoe tsy […]
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana samboady ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny Tanàna, miisa 50 mianadahy any amin’ny faritra Itasy. Nitsodrano azy ireo hahavita be ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nanentana ireo ben’ny Tanàna izy mba hijery ny mahasoa ny vahoaka ao aminy sy tena hampandroso ny kaominina tantaniny. Ny momba ny […]






