Other News

SOMBIM-BAOVAO

Notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka ny ekipan’ny AC Sabnam, ny alatsinainy teo, teny Sa­botsy Namehana. Voahosotra ho tompondakan’i Mada­gasi­kara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy izy ireo, ka nanaovan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’ity tanàna ity hetsika manokana. Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny fampivondronana ny Barea Chan. Araka ny fantatra, mbola hiverina any […]

CJSOI-andiany faha-13 : Efa anatin’ny fanomanana ireo atleta

Hotanterahina any Seychelles, ny 28 jolay hatramin’ny 10 aogositra izao, ny lalaon’ny Commission de la jeunesse et des sports de l’océan Indien (CJSOI), andiany faha-13. Efa anatin’ny fiomanana avokoa ireo Malagasy atleta isan-taranja hiatrika izany fifaninanana izany. Ho an’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny 21 avrily ny fampivondronana ireo mpilalao. […]

Baolina kitra – “Cosafa cup 2025” : Tafaraka vondrona i Madagasikara sy i Maroc ary i Eswantini

Iray tarika ny Barea de Madagascar sy ny Lions de l’Atlas an’i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup 2025). Azo lazaina fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’ny roa tonta, amin’ity. Tontosa omaly, tao Man­gaung, Afrika Atsimo, ny antsapaka amin’ny fiadiana ny […]

Fampianarana serasera : Nomem-boninahitra ny profesora Elisa Rafitoson

Veloma farany, feno fihetseham-po. Nomem-boninahitra farany, teny amin’ny Oniversten’Antananarivo, ny profesora Elisa Rafitson, omaly Nodimandry ny alahady lasa teo ity mpampianatra mpikaroka, anisan’ny namaky lay ny fampianarana ny siansa momba ny ita sy ny serasera teto Mada­gasikara ity. Vory lanona ireo mpampianatra mpiara-miasa aminy, ireo mpianany taloha sy ankehitriny ary […]

Hazo ravinala : Tsy misaraka amin’ny fiainana andavanandron’ny Betsimisaraka

Anisan’ny karazan-kazo iray tsy afa-misaraka amin’ny andavanandron’ny foko Betsimisaraka ny ranivala. Ampia­saina hamonosana entana sy ny maro hafa izy io. Karazan-kazo hany tokana afaka misolo tena ny firenena malagasy any ivelany ny ravinala. Izy irery ihany no mitondra marika maha Malagasy amin’ny fampiasana azy, izay hitantsika amin’ny fiaramanidina. Tsy vitsy […]