Nahitsy ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa tena very ny hasin’ny Antenimierampirenena manoloana ny anaovan’ny fahefana mpanatanteraka azy ireo. Tsy misy firaharahana ireo fanapahan-kevitra lehibe eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny tsy fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona ity. Tahaka izany koa ny tsy nanaovana ny fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka […]
Other News
Fisolokiana amin’ny “Augure” : Niantso ny mpiasam-panjakana ho mailo
Namoaka fanambarana ireo minisitera roa, ny avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa sy ny avy ao amin’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Niantso fahamailoana sy nampitandrina ny mpiasam-panjakana izy ireo. Nambaran’ireto minisitera roa ireto fa misy tranga fisolokiana manodidina ny fitantanana ny mpiasam-panjakana “Augure”. Hentitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana […]
« Confejes » andiany faha-40 : Nanamafy ny fiaraha-miasa ny minisitra Marson Moustapha
Nifarana omaly ny fihaonambe faha-40 ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena avy amin’ny firenena miteny frantsay. Fivoriana natao tany Rabat, renivohitr’i Maroc. Nisolo tena an’i Madagasikara ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. Notanterahina tany Rabat, Maroc, ny fihaonambe faha-40 ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena avy amin’ny tany miteny […]
TARATRY ny KANTO
Handray seho mozika klasika ny AFT Andavamamba, rahampitso alahady, amin’ny 4 ora hariva. Ny trio Elgiaco, avy amin’ny Madagascar Mozarteum, no hamerina ireo sanganasan-dry G.Fauré, Rashmanioff, Schumann, J. Williams, mandritra izany. « Nankaiza ny lakolosy? », fampisehoan’i Gothlieb sy ny namany izay hotontosaina anio, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Hatsikana […]
Tsy omen-danja : Misy kolontsaina tsy tazana mihitsy
Fa nankaiza? Tsy re tsaika ny hosodoko. Tsy tazana ny fanaovan-tsakafo na ny kolontsain’ny nahandro malagasy. Karohina etsy sy eroa ny lamba landy sy ny tontolony… Any ihany, hono, izy ireny fa ny sehatra ivelarany no mihidy. Eo ihany koa ilay fahalainana sy hakamoan’ny mpisehatra noho ny zava-manjo ny taranja […]






