Nambaran’ny filohan’ny “Jeunes cadres d’Antalaha – JCA”, Nerapide Jaonary, fa anisan’ny laharam-pahamehan’izy ireo ny fanajariana ny tanànan’Antalaha ary tafiditra ao anatin’ny tetikasan’izy ireo izany. «Tsy natao ho an’ny fitondram-panjakana foibe ihany ny fampandrosoana fa andraikitra ifampizaran’ny rehetra. Antony nahatonga anay nanatanteraka ireo asa teo aloha ary mbola manohy izany amin’izao […]
Other News
Mpangalatra omby: hogadraina mandra-pahafaty
Nolanian’ny solombavambahoaka tamin’ny fivoriambe, omaly, rehefa nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana ny tolo-dalàna mifehy ny halatra omby. Nanolotra izany ny solombavambahoaka voafidy ao Antsohihy, Befeno Hyacinthe Todimanana. Natao izao tolo-dalàna izao noho ny tsy fandriampahalemana ateraky ny halatra omby, manerana ny Nosy. Nambaran’ireo depiote, voamarika fa maro ireo mpangalatra omby tsy voatazona […]
Andrianainarivelo Hajo: “Ilaina ny mijoro ho an’ny fanovana marina”
Naneho hevitra amin’ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa anisan’ny manamarika ny tantaran’i Madagasikara ny 13 mey 1972, 13 mey 2002, 13 mey 2009. Nanteriny anefa fa tsy nisy ny fiovana. “Vao mainka nihamafy ny jadona, ny teritery, ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanararaotam-pahefana, ny kiantranoantrano, […]
Minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera: “Mihaino ny vahoaka eny ifotony ny fitondram-panjakana”
Nitondra fanazavana amin’ny filankevitry ny minisitra tanterahana any amin’ny faritra ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa zava-dehibe ny fanaovana izany. «Mihaino ny hetahetan’ny vahoaka eny ifotony ny fitondram-panjakana ary vonona ny hifampiresaka amin’ny sehatra rehetra», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, […]
Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Zava-dehibe ny fanatanterahana fifidianana kaominaly izay tokony haverina”
Hatramin’izao, andrasana ny hamoahan’ny Filankevi-panjakana didy momba ny raharaham-pifidianana amina kaominina 12. Haverina sa tsia? Maneho ny fijeriny ny mpitondra tenin’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella: “Zava-dehibe ny fanatanterahana fifidianana kaominaly izay tokony haverina”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny hamerenana ny […]






