Other News

« Africa Energy Transition Program »: Harafitra ny tondrozotra hampihenana ny karbona

Anisan’ireo firenena telo fitaratra aty Afrika ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izay ny tetikasa « Africa Energy Transition Program (Afretap) » tarihin’ny Vondrona afrikanina sy tohanan’ny Vaomieran’ny angovo afrikanina (Afrec). Miroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina i Madagasikara hiarovana ny tontolo iainana. Anke­hitriny, […]

« World Games » – Tsipy kanetibe : Mirana sy i Yves no solontena malagasy

Hiatrika ny “Test event”, amin’ny “World Games” na “Jeux mondiaux” hatao any Chine eo amin’ny taranja tsipy kanetibe,  Razafinakanga Mirana sy Rakotoarisoa Yves Sedrick. Omaly no nanainga izy mianadahy ireo. Mason­tsivana nifantenana azy ireo ny vokatra azony nandritra ny Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) natao teto Madagasikara. Raha tsiahivina, samy nahazo ny […]

Fanafihana Cash point : Naiditra am-ponja Rambola

Voasambotry ny polisim-pirenena ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny antsoina hoe: Rambola. Nampiakarina fampanoavana afakomaly izy ary naiditra vonjimaika am-ponja. Jiolahy fantatra sy malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana izy io. Efa ela nokarohin’ny mpitandro filaminana fa izay vao tratra sy azo sambo-belona. Marihina fa nanafika Cash point iray tany Ambositra izy, […]

Andrianainarivelo Hajo : “Maika ny hampiasana ny volam-panjakana”

Naneho ny hagagany tamin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra farany teo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Tsy nitsitsy fitenenana izy tamin’izany. Nohitsiny fa tsy mba nasiana resaka mihitsy ny momba ireo havana sy ireo Malagasy any atsimon’ny Nosy, traboina ary anatin’ny fahasahiranana lalina taorian’ny nandalovan’ny rivodoza indroa […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina nanomboka ny 24 marsa lasa teo, tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana baolina kitra anaty efitrano, ho an’ireo Oniversite eto an-drenivohitra, na ny « Take Off ». Mahatratra 40 eo ireo mpandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa karakarain’ny Madagascar Futsal Association (MFA) ity hetsika ity. Hotontosaina manomboka ny 22 avrily ho […]