Other News

100 andron’ireo minisitra : mitaky vokatra miantraika amin’ny vahoaka ny Filoha

Nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika amin’ireo minisitra. Anisan’izany ny fandrefesana ny 100 andro amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Hentitra ny filoha. “To­ko­ny hahitana tetikasa goa­vana sy miavaka ahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mipaka any amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharanasan’ny minisitera tsirairay […]

Tsy mety fay: mpanolana naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, afakomaly, manampy an’i Dawilly, ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy kely 6 taona tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana. Na­haray fitarainana ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana momba ny fisiana lehilahy iray 21 taona nanao fihetsika feno habi­biana tamina ankizivavy kely iray […]

Ady tany: lehilahy hita faty, potika ny tarehiny

Niafara tamin’ny vonoan’olona feno habibiana indray ny olana ara-tany tao amin’ny fokotany Ambohimarina, distrikan’Ambanja, afakomaly. Naharay fampitam-baovao momba ny fisian’olona hita faty ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Marovato, afakomaly tolakandro. Araka ny fitsirihana nataon’ny zandary, naratra mafy ilay raim-pianakaviana niharam-boina ka namoy ny ainy teny an-dalana hihazo ny hopitalin’Ambohimarina. […]

67 ha Avaratra : lehilahy voatsatok’antsy teo amin’ny tendany

Dian’antsy indroa no hita teo amin’ny tendan’ny raim-pianakaviana iray 36 taona niharan’ny fanendahan-jiolahy teny 67 ha Avaratra, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 30 minitra. Tsy milamina intsony! Izay no azo ilazana ny zava-misy iainan’ny mponina isan’andro. Naratra mafy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 36 taona niharan’ny fanafihan-jiolahy nitondra […]