Other News

« TBF -7 » : hampiroboroboana ny fizahantany anatiny

Hatao ny 15-17 marsa ho avy izao ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” (TBF), andiany fahafito. Miara-mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny Ofi­sim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Etsy amin’ny zaridaina an’ Antaninarenina ny toerana hanaovana azy, entina hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, sady hanohanana […]

Base Toliara : Mandroso ny fikarakarana ny fisokafany

Manafaingana ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny fitrandrahana vaventy, anisan’ny fanoitran’ny fampandrosoana. Mandeha ny fifampidinihana manodidina ny tetikasa momba ny harena an-kibon’ny tany. Nam­­baran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakoto­ma­lala Herindrainy, tao amin’ny televiziona malagasy, ny alatsinainy 4 marsa […]

INDRAY MIJERY

Mitohy any amin’ny oniversiten’Analanjirofo, Fenoarivo Atsinanana, indray ny fanofanana mpampianatra ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Tanjona ny hanamafisana ny traikefan’izy ireo, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Efa nisy koa ny fanofanana natao tany amin’ny oniversiten’Itasy. Tanterahina ao amin’ny kianja manara-penitra Ambohitahara, Ambohidratrimo, ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy […]

CGM/GZ Analakely: hanome sehatra kokoa ireo karazana kanto

Asa efa nataony hatrizay… Fa mbola manamafy ny fanohanany ny zavakanto malagasy ny ivokolo malagasy-alemà, CGM/GZ etsy Analakely. Anisan’izany ny fanomezana sehatra ireo tetikasa maro manodidina ny kanto. Tsy ny fampianarana ny teny alemà ihany no iandraiketan’ny CGM/GZ etsy Analakely. Efa hatramin’ izay nisiany no nanana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana […]

TARATRY ny KANTO

“Ho an’i Mikakely” – M’Lam Manakambahiny. Tsy mitsahatra ny tolo-tanana ato amin’ity toerana ity, ho fanampiana amin’ny fitsaboana an’i Mikakely. Hiaka-tsehatra anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva ry Théo Rakotovao, Teddy Solo sy ny namany, ary ny Faith. Hitohy ny sabotsy miaraka amin’ny Raozin’ny Paradisa, Hery Vaika, Tarika Tary, ary […]