Nodimandry ny alatsinainy teo ny Jly Andriambao Ramisa Nantenaina. Nivoaka tamin’ny andiany faha-19 tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe izy. Manamboninahitra nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Foloalindahy Malagasy. Efa kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana tao Tsiribihina izy. Iray andro monja taorian’ ny nahalasany anefa, nodimandry koa ny vady andefimandriny ny talata teo. […]
Other News
Mahavoky – Mahajanga : lehilahy iray tratra nitondra basy PA
Saron’ny polisin’ny UIR miasa ao Mahajanga tao amin’ny fokontany Mahavoky Atsimo afakomaly ny lehilahy iray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy fa misy olona hafahafa fihetsika eo akaikin’ny trano fisotroana iray eny Mahavoky Atsimo. Niroso tamin’ny fitsirihana ny toerana misy ity lehilahy ity ny polisy ka […]
Ambohimahitsy : jiolahy tratra teo am-pamakiana trano
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny PPA Manantenasoa Avaradrano teny Mahatazana Ambohimahitsy, afakomaly ny jiolahy iray avy namaky trano. Nanao ny asa fitsirihana toy ny mahazatra ny polisy avy ao amin’ny PPA Manantenasoa afakomaly alina. Nahatsikaritra lehilahy iray somary kaodikaody miaraka amin’ny karazan’entana samihafa ireo polisy. Nanatona azy avy hatrany […]
Olana sosialy : nitroatra ny mponina !
Nandoro kodiarana sy nibahan-dalana ny mponina teny Andohatapenaka, omaly. Nanimba ny biraon’ny kaominina ny mpitarika posy tao Manakara. Olana sosialy no anton’izany. Nanao hetsika fanairana ny mponina tao Andohatapenaka, omaly. Antony, voalazan’ny mponina fa lasan’ny vahiny ny tany misy ny trano fonenan’izy ireo. Sady nidina an-dalambe no nandoro kodiarana izy […]