Efa-dahy niampy ramatoa iray voasambotry ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny marainan’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nitrangana halatra kisoa tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Ambalavao distrikan’Atsimondrano. Nolavahan’ireo olon-dratsy ny rindrina misy ny kisoa, nopoizinin’izy ireo avokoa ireo biby. Notanteriny tamin’ny gony torian’izany. Nahatsikaritra olona telo lahy niloloa gony nampiahiahy […]
Other News
Fasan’ny karana : Lehilahy iray namono tena, voahitsaky ny kamiao
Vaky sy niparitaka tamin’ny arabe ny atidohan’ilay lehilahy namono tena tao ambany kamiao, tetsy amin’ny Fasan’ny karana, omaly maraina. Hitan’ny olona nitomany izy talohan’ny nitsorahany tao ambanin’ilay fiara. Lehilahy iray tokony ho 40 taona namono tena, nitsoraka tao ambany kamiao semi-remorque, omaly tamin’ny 10 ora latsaka 10 minitra. Niseho tetsy […]
Mozean’ny haino aman-jery : Nahazo arisiva ny minisiteran’ny Serasera
26 taona izao no nisian’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Ho fanamarihana izany, nanolotra ireo sanganasa mba ho tahiry sy vakoka ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo tomponandraikitry ny fahitalavitra, omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mba ho tahiry sy vakoka amin’ny haino aman-jery sy ny tantaram-pirenena io, izay anjara […]
Pôle de l’entrepreneuriat: Tantsoroka ho an’ny mpandraharaha
Fotoana iray nampivondrona ireo mpanome tantsoroka, mpanohana sy mpamatsy volan’ny mpandraharaha ary ireo sehatra samihafa ny hetsika « pôle de l’entrepreneuriat », andiany fahefatra, no karakarain’ny maison de l’entrepreneuriat, ny sabotsy teo, tetsy Antaninarenina. « Tanjona ny hanampiana ireo mpandraharaha ao anatin’ny lalam-pihariana ataony sy hanomezana torohevitra azy ireo ao […]
Tsingerin-taonan’ny AJT: Nosokafana tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo
Feno 17 taona ankehitriny ny nijoroan’ny fikambanan’ny mpanao gazety any Toamasina (AJT). Notanterahina tany an-toerana ny hetsika fankalazana, ny sabotsy 26 avrily lasa teo. Nanamarihana izany ny fambolen-kazo ary ny fizarana tolotra ho an’ny mpanao gazety sy ho an’ny tokantrano marefo. Heni-kaja sy voninahitra ny hetsiky ny mpanao gazety ao […]






