Nampahonena ! Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4) tao Anjiajia, fokontany Marotaolana, kaominina ambanivohitr’Antsifabositra, distrikan’i Maevatanàna, PK 266+600, omaly. Taksiborosy iray avy any Antsirabe hihazo an’i Mahajanga no tratran’ny olana tao amin’ny hisatra (frein) ka tsy nahatazona ilay fiara. Nandeha mafy anefa ny fiara tamin’io fotoana io. […]
Other News
Baolina kitra : Nihemotra ny fanombohan’ny PFL
Raha efa voatondro ho ny 1 feborary ho avy izao no hanombohan’ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra na ny Pureplay Football League (PFL 2025), nihemotra herinandro indray izany. Notapahin’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), tomponandraikitra voalohany amin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity, fa ny 8 sy 9 febroary […]
Fiaraha-miasan’ny FMI sy ny MFFT : Hamafisina ny ady amin’ny mpangalatra tany
Noraisin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Anosy, omaly, ireo iraka avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nivoitra tamin’izany ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta amin’ny hanohizana ny ezaka hiadiana amin’ny kolikoly sy ny fangalarana tany. Voatsiahy tamin’ izany ny fiaraha-miasan’ny MFFT amin’ireo rafitra samihafa, toy […]
TARATRY ny KANTO
Grey, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tarika iray mivoy ny gadona metal, ivondronana tanora manan-talenta ny Grey. Hizara ny sanganasany anio, manomboka amin’ny 8 ora alina ry Navalona eo amin’ny feo, Mandrindra amin’ny gitara beso, Ny Aina amin’ny amponga maroanaka ary i JT eo amin’ny gitara. Efa manana hirany manokana […]
Nix Band sy Slaide: Hizara ny revy Metallica ranofotsiny
“Metallica Celebration”. Izay no anaran’ilay seho hotontosaina rahampitso 1 febroary, manomboka amin’ny 4 roa etsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. Hamerina sy hizara ireo revin’ny tarika Metallica ranoiray ry Nix Band sy ny tarika Slaide, mandritra izany. “Tena fanomezam-boninahitra ny Metallica avy aminay mpiondana io, sady fiarahana amin’ireo mpankafy an-dry zalahy […]






