Other News

Ben’ny Tanàna Tota : “Hotanterahina ny nampanantenaina”

Notontosaina teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fametrahana amin’ny toerany ny ben’ny Tanàna, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. “Tsy maintsy tanterahina izay rehetra nolazaina. Maro no efa vita, ary hampitomboina avo folo heny noho ny teo aloha ny asa fampandrosoana ny tanànan’Ando­harano­fotsy”, hoy izy. Araka ny tantara, i Maire Tôta […]

Tale jeneralin’ny Fananan-tany : “Miasa hatrany eo anilan’ ny kaominina izahay”

Nidina ifotony nijery ny fanarenana ny fefiloha vaky eny Malaza – Faliarivo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Mian­galy, ary nanafarany ireo ben’ny Tanàna ny momba ny fanajariana ny kaominina iadidian’izy ireo. “…Miasa hatrany ary eo akaikin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Rehefa nahazo mari-pahaizana sy nandrato fianarana tany ivelany, i Faneva Ima, Malagasy mpilalao baolina kitra, nanambara ny tenany, ny afakomaly, teo fa vonona amin’izay izy ny hitondra sy hitantana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa i Faneva Ima no nitondra avo ny Barea nandritra ny Can 2019 tany […]

Mpanazatran’ny Barea : Ho fantatra amin’ny alakamisy ho avy izao

Araka ny vaovao voaray avy eny anivon’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, hampafantarina ny alakamisy ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny mpanazatra vaovao hitondra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Marihina fa efa milamina avokoa ny fifanarahana rehetra ary efa omaly ihany ilay teknisianina vaovao ity, no […]

Basikety 3 x 3: Elly sy i Rondro N°1 malagasy

Navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny basikety (Fiba), tao amin’ny tranonkalam-pifandraisany, omaly, fa laharana voalohany amin’ny mpilalao basikety lalaovina olona 3 x 3 eto Madagasikara, Randriamampionona Elly sy Raherimanana Rondro Emeranchine (Chine). Samy mpilalaon’ny GNBC avokoa izy mianadahy ireo ary mandrafitra ny Ankoay de Madagascar. Lojika izany raha ny tarehimarika sy ny zava-bitan’ireto mpilalao […]