Other News
Fivoahan’ny voka-pifidianana: Ben’ny Tanàna roa tsy hita ny nanjavonany
Maromaro ireo ben’ny Tanàna vao voafidy no ahina ho voasaringotra amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Nofidin’ny vahoaka any an-toerana tamin’ny salanisa 65% ny tenany na tsy afaka nanao propagandy aza. Ny ekipany ihany koa no nametraka ny an-tontan-taratasy firotsahany. Efa namoahana didy fampisamborana avy amin’ny […]
Nanafika cash point : Finday no lasan’ireo jiolahy
Niharan’ny fanafihan-jiolahy ny renim-pianakaviana iray hamonjy ny asany tao Andranomadio Toamasina, ny alarobia tamin’ny 8 ora sy 30 mn maraina. Jiolahy roa nitondra basy sady nanao taingin-droa tamin’ny moto no nanakana azy. Voambana basy izy, tsy vitan’izay fa norahonan’ireo olon-dratsy hiala avy eo ambony moto nentiny. Tsy maintsy nidina tokoa […]
Rugby- Tompondakan’i Afrika : Hampiatrano ny fifanintsanana i Madagasikara
Nanatanteraka valandresaka niarahana tamin’ireo mpanao gazety, ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, omaly, teny amin’ny birao hiasany etsy Andohatapenaka. Nisongadina tamin’izany ny handraisan’i Madagasikara, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny taranja Rugby lalaovin’olona fito, sokajy vehivavy. Araka ny nambaran’ity lehiben’ny federasiona ity, zava-dehibe tokoa io fifaninanana io satria natao […]
Tsy fahatomombanana : Haverina ny fifidianana amin’ny kaominina maromaro
Anisan’ny nanamarika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao ny 11 desambra teo ny tsy fahatomombana sy ny tsy fanarahan-dalàna na koa ny hosoka. Teo koa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritanin ‘i Fianarantsoa ka tsy maintsy haverina ny fifidianana amin’ ny kaominina miisa efatra. Eo ny tany amin’ny […]






