Nanokatra ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna vao voafidy, tetsy Anosy, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambaran’ny minisitra tamin’izany fa tsy mora ny ady natrehina tamin’ny fifidianana nefa lany soa aman-tsara ireo ben’ny Tanàna ka nirariany mba ho taon’ny […]
Other News
TSELATRA
Maty tsy tra-drano ny tovolahy mpitrandraka harena ankibon’ny tany tao amin’ny kariera Bekapaika, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nihotsaka tampoka ny tany nanodidina ny lavaka ka tototra tao io lehilahy io. Tsy nisaron-tava, lehilahy iray niditra an-keriny ka naka solosaina tao amin’ny trano fandrasaim-bahiny iray teny Ankadifotsy, ny 14 janoary lasa teo. […]
Vonoan’olona mampiahiahy : Razana roa hita teny amoron-dalana
Tao anatin’ny 24 ora, ny sabotsy hifoha ny alahady, trangana vonoan’olona roa samy hafa no nitranga tao Toamasina renivohitra. Ny iray, tao Andranomadio 11/44, tsy lavitry ny tafo lanitra. Ny faharoa, tao Mangarivotra 11/47, tsy lavitry lalam-baovao mihazo ny Lapan’ny prefektiora Mangarano. Ny alahady maraina teo no nahitana ity razana […]
Voalaza fa olon-dratsy: Mpiasana tetikasa matin’ ny fitsaram-bahoaka
Roa lahy izay mpampianatra sy miasa amina tetikasa nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, kaominin’i Manampatrana, distrikan’Ikongo, omaly. Nisavorovoro ny mponina tao an-toerana fa nahin’izy ireo ho dahalo izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana azy roa lahy voatondro molotra ho olon-dratsy ireo. Nentin’ny tahotra, niezaka nandositra ireo voalaza ka tratra. […]
Farafangana: Ankizivavy 9 taona naolana mpitandro filaminana
Niova fandeha, voamarin’ny mpitsabo eo anivon’ny CHRR Farafangana fa niharan’ny fanolanana ny ankizivavy 9 taona, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy 16 janoary teo, tamin’ny 9 ora alina. Nanatona ny ray aman-drenin’ny zaza ilay mpitandro filaminana fa mitady mpanampy hikarakara ao an-tokantranony. Mody nanadihady ny renin’ilay ankizivavy io […]






