Other News

Olan’ny mpanao politika

Tahotra, ahiahy… Izay no rivotra fohina amin’izao? Tsy inona fa ny amin’ny fampiakaram-peon’ny sasany eo am-piandrasana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Hanao ahoana? Tsia, efa azoazo vina ny voka-pifidianana miainga amin’ny vonjimaika navoakan’ny rafitry ny Ceni eny anivon’ny faritany. Ny aorian’ ny fifidianana? Eo ny fisian’ny fanahiana […]

Hafatry ny evekan’Antsi­rabe, Andriantsoavina: “Sahia miteny sy mijoro amin’ny fahamarinana”

Hafatra fohy no nampitain’ny eveka, ny Mgr Andriantsoa­vina Jean Pascal, manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao sy ho an’ny tsirairay ary ny isam-batan’olona. “Aoka ho tso-piaina ary sahy mijoro amin’ny marina isika. Sahia miteny raha mahita tran­gan-javatra tsy araka ny sitra­pon’Andriamanitra miseho eny amin’ny fiarahamo­nina”, hoy izy tao amin’ny […]

Fitsarana: “Aleo mba hiala ny fitsabahan’ny manampahefana”

Natao omaly ny famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Misy ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsindry isan-karazany. “Aleo mba hiala ny fi­tsabatsabahan’ny havana sy ny manam­­pahefana sasany, fa tsy ny rehetra, amin’ny raharaham-pitsarana”, hoy ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajoelina Yves Hugues, […]

Tselatra

Nifamely totohondry ny mpandeha iray sy ny reseveran’ny taxi-be 172, omaly maraina teo Tanjombato. Vola 100Ar no fototry ny olana satria tsy ampy an’io 100Ar io ny saran-dalan’ilay raim-pianakaviana. Nilaza izy fa eny Ankadimbahoaka no miala ka 500Ar ihany no nomeny, saingy tsy nanaiky io saran-dalana io ilay resevera. Vokany, […]

Latsaka anaty hantsana: lahiantitra namoy ny ainy

Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona namoy ny ainy latsaka tao anaty hantsana niaraka tamin’ ny bisikileta, tao Ambohimarina, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, omaly. Nivoy kodiarandroa. Nilatsaka tampoka tamin’ny toerana nisy hantsana nirefy 7 metatra teo ho eo anefa izy. Niaraka nilatsaka taminy ny bisikileta teny aminy. Vokany, nidaraboka […]