Tsy mitsaha-mitombo ny fankasitrahan’ny mponina voakasiky ny tetikasa Base Toliara any ifotony. Anisan’izany ny ao Toliara I sy II, toy ny kaominina Tsianisiha, Belalanda, Ankilimalinike ary Maromiandra. Nisy ny famonoan’omby roa tany Tsivonoe Belalanda ho an’ny mponina sy ny olobe ary ny raiamandreny. « Hanamora ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny […]
Other News
Firaisankina
Miaina anatin’ny karazan-tsedra maro ny Malagasy, ankehitriny. Tsy asiana resabe intsony ny lafiny sosialy sy ny toekarena. Iaraha-mahita fa latsaka an-katerena hatrany anaty vilany. Ny hohaninana anio, tadiavina rahampitso, hoy ny sangisangy zaritenan’ireo bokan-trosa. Tena sahirana ara-pivelomana ny ankamaroan’ny olona. Tsy izany anefa no atao fitaovana hoenti-manakorontana ny firenena. […]
Fandrobana ny harena voajanahary : « Sahia mitoroka, sahia mampihatra ny lalàna », hoy ny AVG
Mankasitraka ny fanjakana nandray andraikitra manoloana ny fandrobana ny harena voajanahary ny vovonana AVG. Nohitsiany koa fa tsy vitsy ny olom-panjakana mitsikomba amin’ny olon-dratsy. Mirongatra ny fandrobana ny harena voajanahary. Naneho hevitra, omaly, ny Vovonana Alliance Voahary Gasy (AVG), notarihin’ ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA), Razakamanarina Ndranto. Notronin’ny mpikambana. Voalaza fa […]
TSELATRA
Fatin-jazavavy vao nalevin’ny fianakaviany nalain’ny olon-dratsy tao am-pasana ny voamasony, omaly. Nalevin’ny havany afakomaly io zaza io. Nofongarin’ireo tsy mataho-tody tao anaty vata ilay zazavavy. Lehilahy nisoloky ho mahatafiditra ho zandary voasambotry ny polisy tao Ambositra ka nidoboka am-ponja, afakomaly. Nahazo lelavola hatramin’ny 36 tapitrisa Ar tamin’ireo olona efa nosolokiany […]
Androndra-Ampamantanana: Jiolahy maty voatifitra, roa azo sambo-belona
Ravan’ny polisim-pirenena ny tambajotran-jiolahy anisan’ireo nikasa handroba tranom-barotra eny Androndra-Ampamantanana, ny alin’ny talata 21 janoary teo. Nihaodihaody teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy ka tsikaritry ny fokonolona. Voasambotr’izy ireo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka io lehilahy tratra io. Nitoroka ny namany izay mody nifangaro tamin’ny fokonolona tao an-toerana anefa […]







