Other News

Fampiharana ny tena vidiny: tsy tokony hihoatra ny 5 100 Ar ny litatry ny gazoala

Nankatoavin’ny Tahi­rimbola iraisampirenena (FMI) ny famatsiam-bola anankiroa ho an’i Madagasikara, ny 19 jolay 2024. Mitentina 337 tapitrisa dolara ny voalohany, ho an’ny Findramam-bola nohamoraina (Fec), raha 321 tapitrisa dolara ao anatin’ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fio­van’ny toetr’andro (FRD) ny faharoa. Raha ny tatitry ny FMI, ny oktobra 2024, maromaro […]

Indray mijery

Manerana izao tontolo izao, olona 1 isaky ny 24 segondra no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe (OMS 2024). Fanamby hotratrarina ao anatin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) ny hampihenana ho 50% ny isan’ny olona maty sy maratran’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030. “Isika eto Madagasikara, mandray anjara feno amin’ny fanatrarana […]

Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven

Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Mala­gasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, […]

Vina 2025: manana ny vinany ireo mpanao fanatanjahantena

Taom-pahombiazana no hirian’ny rehetra amin’ity taona 2025 ity. Misy ny vina sy tanjona ho an’ireto mpitantana sy atleta ireto hahazoana izay fahombiazana izay, toy ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny fanatsarana hatrany ny fifaninanana eto an-toerana. -Ho laharana voalohany hatrany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra hatrehako, eo amin’ny taranja Judo […]

AFROBASKET 2025: vonona hanatevin-daharana ireo mpilaravinahitra

Hotanterahina ny volana febroary izao ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ho amin’ny “Afrobasket 2025”, sokajy Seniors. Malagasy mpilalao any ivelany maro no maneho ny fahavononany hanatevin-daharana. Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay firenena handray ity dingana farany amin’ny fifanintsanana basikety ity, saingy raha ny vaovao heno dia […]