Tsy nivoaka teto Antananarivo ny amboara nandritra ny “Slam national 15”. Orad indray, araka izany, no mandimby an’i Santa izay tompondaka farany. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny famaranana ny fifaninanana “Slam national 15” (SN 15). Rado Ravaloson na Orad avy eto […]
Other News
Sarimihetsika malagasy : anisan’ny sangany sy nanana ny naha izy azy, fahiny
Haikanto sy sehatrasa anisan’ny mbola malalaka ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara, araka ny nambaran’ireo Malagasy matihanina eo amin’izany sehatra izany. Mbola maro ihany koa anefa ny ezaka tokony hatao mba hahatonga izany sehatra izany ho matihanina sy ara-dalàna. Ny taona 70 no tena fiaingana ho an’ny sinema malagasy. Nahitana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nanamafy ny fanohanany ny kandidà Tahina Razafinjoelina ny antoko MMM, ARB, FMI malagasy ary ny MFM, omaly. « Misy fiainana politika tokony hiova amin’izao fotoana izao. Tahina Razafinjoelina no mahavita izany sady mampandroso an’Antananarivo. Ny tsy fananana vina sy asa matotra ho fanarenana an’Antananarivo no mahatonga ny tanàna amin’izao toerana misy […]
Oniversite Antsiranana : nanao velakevitra momba ny PGE ny Praiminisitra
Ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) mifandray amin’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra avaratra. Izay no lohahevitra nifantohan’ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho an’ny mpianatry ny Oniversite, Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo. Saika voaresaka sy nifanakalozana tamin’izany avokoa ireo sehatra fampandrosoana ara-toekarana any an-toerana. Eo, ohatra, ny famokarana lavanila, Cacao, […]
Korontana… tombontsoa
Faradoboka amin’ny fampielezan-kevitra anio, andro fanginana rahampitso, fandatsaham-bato rahafakampitso… Ho haingana be ny fiakaran’ny voka-pifidianana, fa ny kaominina no fari-pifidianana. Iza no ho voafidy? Mandra-pitrangan’izay hitranga, mila tanana hatramin’ny farany ny filaminana sy fitoniana efa iainana amin’izao; eny, na misy aza ny tahotra sy ahiahy ny amin’izay fifidianana izay. […]






