Other News

Basikety-Africa Cup 3×3: delegasiona tonga voalohany i Mauritanie

Andro roa mialoha ny fiadiana ny amboaran’i Afrika 3×3 hotanterahina eto Mada­gasikara, efa manomboka tonga ireo delegasiona avy amin’ny firenena afrikanina hiatrika ny fifaninanana. Delegasiona tonga voalohany i Mauritanie, izay nigadona teto Madagasikara, ny talata 26 novambra teo. Mpilalao 4 sy Staff 1 no mandrafira ny delegasiona avy any Mau­ritanie. […]

Baolina kitra – PFL 2025: hanomboka amin’ny sabotsy ny fifaninanana

Izay vao tena raikitra. Hanomboka amin’ny sabotsy 30 novambra sy ny alahady 1 desambra ho avy izao, ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra Pureplay Football League (PFL 2025). Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasy (FMF), tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly, fantatra avokoa ireo ekipa miray kaonferansy, izay nozaraina […]

Tenisy : namoaka ny «My story of my tennis life» Ramiandrasoa Serge

Tsy navelany hatory amin’izao ny zava-bitany tamin’ny fotoam-piasany fa hampahafantarina ny taranaka aty aoriana. Natolo-dRamiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT) teo aloha, ny boky “My story of my tennis life”, mirakitra ireo fotoana samihafa. “Famaranana ny fihodinana ny kianja fa tsy ny tsipika farany”, hoy Ramiandrasoa Serge, filohan’ny Federasiona […]

Fanafihana mitam-piadiana : telo lahy migadra mandra-pahafaty

Hentitra ny fitsarana ambony Toamasina misahana ny ady heloka bevava nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, omaly. Telo voaheloka hanao asa an-terivo­zona mandra-pahafatiny… Nitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-111-Toa/21 niampangana an-dRazafimanan­tsoa Odilon sy i Fenosoa ary Randrianantenaina Jean Sele na Sely noho ny fanafihana mitam-piadiana  Cash point  niseho tao Tanambao Faha­dimy, ny […]

Madagasikara- Nosy Maorisy: Hifantoka amin’ny sehatry ny toekarena ny fiaraha-miasa

Tao anatin’ny fihaonan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny maorisianina, Ritesh Ramful, no nanasongadinana ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ny 26 novambra teo, tany Mao­risy no nanatanterahana izany fihaonana izany. Anisan’ny navoitra tao anatin’ izany ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fanomanana ny fihaonana […]