Other News

Nanambana basy tetsy Ivato : telo lahy nanafika Cash point voasambotra

Nandroba vola tamin’ny sakaosy niampy telefaonina, tra-tehaky ny zandary ny telo lahy nitam-piadiana nandroba Cash point tetsy Ivato, afakomaly. Iray hafa karohina. Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana am-ponja ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point tao amin’ny fokontany An­tsahambilo, kaominina Ivato. Tratra tao talatamaty, afakomaly ny iray. Voasakan’ny mpitandro filaminana […]

Nomen’ilay jiolahy : nanaovan’ny sakaizany ilay akanjo very

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja vonjimaika ny jiolahy iray sy ny sakaizany voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha fanafihana narahina vaky trano tao Vatomandry. Ny 5 novambra 2024 teo, tonga tao amin’ny kaomisaria Vatomandry ny olona iray nametraka fitoriana momba ny fahavakisan’ny tranony ao Ampandranety kaominina Vatomandry. Nanokatra fanadihadiana ny […]

Namono an’i Miley kely : roa lahy naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Niakatra fampanoavana, roa lahy namono nahafaty an’i Miley kely sy iray mpiray tsikombakomba niara-notanana am-ponja, ny talata 26 novambra teo. Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ao Tsiafahy ny roa ary ao Ankazondrano, ny iray, izay samy voasaringotra ho nahavanon-doza namono na­hafaty an’i Miley, ilay zazavavy 7 taona, tao Fianarantsoa. Nisy […]