Other News

Alemaina – Madagasikara: hamafisina ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana

Manamafy ny fifamatorana diplaomatika i Madagasikara sy Alemaina. Nanomboka omaly ny dinikasa ifanaovan’ny governemanta roa tonta. Nanomboka teny amin’ny minisiteran’ny Rahara­ham-bahiny, Anosy, omaly, ny dinika ifanaovan’ny governemanta alemaina sy malagasy. Nitarika ny delegasiona alemaina ny ambasadaoro Oliver Knoerich. Naneho ny fahavononany hanamafy hatrany ny fifandraisana diplao­matika eo amin’ny roa tonta […]

Ambohimamory : tontakely tratra nangalatra fanitso

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny poste fixe Ambohimamory Itaosy, ny tontakely roa lahy nangalatra fanitso, tao amina tokotanin’olona, omaly. Niditra an-keriny tao amin’ny faritry ny tambohon’olona izy roa lahy ireto naka ireo fanitso. Efa nafatratr’izy ireo tanaty gony izany no nisy nahatsikaritra tampoka ny fihetsik’izy ireo nibata izany. Niantso […]

NOHO NY HASAROTAM-PIARO: Roa lahy voadaroka teny Ambatonakanga

Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny mpiasa tao amina toeram-pandihizana iray eny Ambatonakanga ny teratany frantsay roa lahy sy Malagasy roa lahy, ny alin’ny sabotsy teo. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’izy ireo, niharan’ny fampihorohoroana ara-tsaina sy herisetra ara-batana ireto niharam-boina ireto. Ny mpiasa sady mpitantana tao amin’io toeram-pandihizana io ihany no […]

Vokatry ny lonilony : lehilahy maty voakapa antsibe

Nokapain’ny olon-dratsy antsibe teo amin’ny tavany, simba tanteraka ary namoy ny ainy ny lehilahy iray mpivarotra amina tranombarotra tao amin’ny fokontany Ivoloina, kaominina Antetezambaro, kaominina Toamasiana II, ny sabotsy 23 novambra lasa teo. Nihazo ny sahany io lehilahy io talohan’ny handehanany hivarotra. Narahin’ny tsy mataho-tody avy aoriana anefa izy. Tsy […]

Lehilahy nolerana zava-maranitra: atidohan’ilay vono olona ny rahalahiny

Tra-tehaky ny zandary ireo telo lahy ahina ho namono olona tao Mantasoa, tamin’ny zoma. Voalaza ho atidohan’ izany ny rahalahin’ilay lasibatra, izay mbola nihosin-dra ny tanany. Nahitan’ny mpitandro fila­minana ra nihosona, afakomaly, ny tanan’ny lehilahy iray izay rahalahin’ny olona hita faty tao amin’ny fokontany Anjozoro, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Nitrangana […]