Olona telo indray tototry ny tany tao Antsahan’i Kamavo ao Mandarano, fokontany Mananatanana, kaominina sy distrikan’Ikalamavony, afakomaly. Kariera efa tsy misy miasa intsony no niasan’ireto olona niharam-boina ireto, araka ny tatitra nampitain’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ikalamavony. Fito lahy izy ireo no niasa nitrandraka vato antsoina hoe «ziricon» sy « spocumen » teo amin’ity toeram-pitrandrahana vato sarobidy ity, ny 8 novambra […]
Other News
TSELATRA
Olona iray voatsindry tao ambany kamiao tetsy Ambohimangakely, omaly. Nivadika tampoka io fiara nitondra entana io. Olona telo no nitaingina io kamiao io ka tavela tao ambanin’ny fiara ny iray. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ity farany. Olona iray maty voatsindrin’ny taksiborosy Sprinter, raha 25 ireo naratra tamin’ilay lozam-piarakodia teny amin’ny RN […]
Grenady- Toby Ratsimandrava: lehilahy nosamborina, basy roa nogiazana !
Lehilahy iray no voasambotra, afakomaly, tamin’ilay fanapoahana grenady tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava. Nahitana basy roa ihany koa tao an-tranony ka ny iray kilalao. Voasambotra, afakomaly, teny Analamahitsy, boriborintany fahadimy ny tovolahy iray. Ahina ho tompon’antoka voalohany tamin’ny fanapoahana grenady teo amin’ny kianja filalaovana basiketin’ny Toby Ratsimandrava, ny alin’ny 7 novambra 2023. Araka ny angom-baovao natao, manana […]