Other News

Tsy mila mandrimandry

  Miditra amin’ny herinandro faharoa isika amin’ny fampielezan-kevitra. Samy manao izany ho afany ny mpanohana. Efa maresaka ery ny tanàna. Manakoako ny mozika sy ny hira faneva, miharo fanentanana amin’ny fiara mamakivaky ny arabe, na an-drenivohitra na ambanivolo. Samy manasongadina ny azy. Paikady tsara sy mahomby rahateo ny fanason­gadinana ny […]

Ady amin’ny famotsiam-bola : hamoaka paikady vaovao ny governemanta

Ady amin’ny famotsiam-bola. Hisy ny fanavaozana ny paikady vaovao avy amin’ny governemanta amin’izany. “Misy paikady havoakan’ny governemanta ato ho ato hiadiana amin’ny famotsiam-bola. Fantatra fa misy io asa ratsy be io. Nefa tsy hita hoe manao ahoana ny fisehoana sy ny fanenjehana?” Io ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Samifin, Rajaonarison Ma­mi­tiana, […]

Fanafihana Cash point : Jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fanafihana Cash point indray tao Mangarivotra Atsimo, kaominina Toamasina, omaly hariva tamin’ny 7 ora. Telo lahy nitondra antsy, niandry an’ilay ramatoa mpitantana io toeram-pandefasam-bola io. Tsy niala dimy metatra io toeram-piasany io, norahonan’ireo jiolahy tamina antsy lava izy. Handroba ilay fitoeram-bola teny amin’io renim-pianakaviana io sy ny finday fampiasany […]

Mananjary: lehilahy nitondra vola sandoka

Lehilahy iray voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Mananjary noho ny fanaovana vola sandoka, omaly. Raha ny fanazavan’ny polisy, niely ny resaka tao an-tanànan’i Mananjary fa misy olona manaparitaka sy mivarotra vola sandoka. Nitombo isa hatrany ireo olona voafitaka noho ny fiparitahan’ny vola sandoka tao an-toerana ka tonga nametraka […]