Other News

“World jiu-jitsu Championship” : laharana fahefatra i Zo Aina

Mpikatroka anisan’ny na­ha­vita dingana tsara indrindra hatramin’izao i Zo Aina, ao anatin’ny fifaninanana “World jiu-jitsu Championship”, tontosaina any Abu Dhabi. Sokajy Master, 85 kg, “ceinture marron” no nisy azy ka nahazoany io vokatra io. Mpikatroka 10 mahery no niara-niainga taminy, teo amin’ny ampahavalon-dalana, nandresy izy ka nahazo ny tapakila niatrehana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 11 sy ny 12 novambra ho avy izao, eo amin’ny Lapan’ny tanàna any Toamasina ny fifaninanana “Game on 3×3”. Marihina fa ity lalao ity, hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny basikety sy ny ligy rezionaly Atsinanana ary ny kaominina any an-toerana manatanteraka. Notanterahina nanomboka omaly, tany Toamasina, ny fitiliana ireo Malagasy […]

Barea : notoloran’ny FMF baolina

Afaka valo andro, izany hoe, ny 17 novambra ho avy izao, hifanandrina amin’i Ghana any an-toerana i Madagasikara, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”. Ho fiatrehana izany, notoloran’ny filohan’ny Fede­rasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randria­ma­nampisoa Alfred, fitaovana toy ny baolina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Entina hampiasain’izy ireo mandritra […]

Kitra afrikanina : mety hiova endrika ny fiadiana ny «Chan»

Niteraka resabe teo anivon’ny tontolon’ny baolina kitra ny fiparitahan’ny vaovao tao anaty tambajotran-tserasera, omaly, fa hiova endrika ny fifaninanana “Chan” ka afaka mandray anjara ireo mpilalao mpila ravinahitra. Navoakan’ny gazety Sport news Africa, ny talata 7 novambra lasa teo, fa hiova endrika manomboka izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]

Fihaonana teny Tsimbazaza: hamoaka ny fehinkevitra ireo mpanelanelana, anio

Hivoaka, anio hariva, raha tsy misy ny fiovana ny fehinkevitry ny fihaonana mikaton-trano natao teny amin’ny La­pan’i Tsimbazaza. Nitarika ny fanelanelanana tamin’izany ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny filohan’ny FFKM sady filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamaha­zo­soa Irako Ammi, ary ny je­neraly misotro ronono, Rama­kavelo Desiré. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny vondron’ny kan­didà 10 […]