Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny solontena maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), eto amintsika, i Issa Sanogo. “Ilaina ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Tokony hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena izany”, hoy izy, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny ONU. Nanteriny fa ilaina ny fanajana ny lalàna velona amin’ny firenena iray hampirindra […]
Other News
Fikarakarana ny fifidianana: nahazo vola fanampiny indray ny Ceni
Mitohy ny fanohanana ho amin’ny fikarakarana ny fifidianana. Anisan’ny notapahin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Mahazoarivo, ny didim-panjakana amindrana ny sora-bola fanampiny ho an’ny Ceni. Mitentina 3 947 190 000 Ar avy amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola ho an’ny tetibola 2023 izany ary natao indrindra hikarakarana ny fifidianana filoham-pirenena. Nialoha izany, efa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny […]
Lokanga sy Valiha: Matim-bela izay tsontsa paika
Mandeha avokoa ny kajikajy sy ny paipaika politika amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Indrindra amin’ny fiatrehana fifidianana… Na mahavoa ny tena, na voa roa. Ady fiady io, lazon’ady. Saingy arakaraka ny fifandanjan-kery, ny tombontsoa iadiana na arovana… Aiza ho aiza? Na mby amin’ny hoe: amin’izay atao rehetra, tsinjovy ny farany. Azo antoka […]
Fanemorana fifidianana: notsipahin’ny HCC ny fitarainan’ny ARB
Voatsipaka fanindroany. Namoaka ny fanapahana ny eo anivon’ny HCC, omaly, manoloana ny fangatahana nataon’ny kandidà Raobelina Andry ny amin’ny tokony hanemorana ny fifidianana. Nambara ho anton’izany ny tranga tsy azo anoharana. Nisongadina tamin’ny fanamafisan’ny etsy Ambohidahy fa tsy miova ary mbola voatana hatrany ny datin’ny alakamisy 16 novambra hanatanterahana ny […]
Faritra Analamanga : Voatendry ho governora Andriatsimihetry Ramesy
Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Voatendry ho governora hisahana ny faritra Analamanga, mpisolo toerana, Andriatsimihetry Ramesy Farasoambolanoro Marie Jackia. Efa nisahana ny andraikitra maha sekretera jeneralin’ity faritra ity ny governora misolo toerana, nanomboka ny 11 avrily 2022. Tsy vahiny amin’izany asa eo anivon’ny fiadidiana ny faritra […]