Notontosaina teny Tsararano Mahajanga, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fifanintsanana fanatanjahantena mekanika “Circuit Za Go Janga”, andiany faha-13. Tonga tany an-toerana nanotrona ity hetsika ity ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Maro ny lalao nandeha teny an-toerana. Anisan’ny sokajin-dalao tamin’izany ny hazakaza-piarakodia sy ny […]
Other News
Rugby Afrika- “Top 8”: Tsy naharesy ny ekipan’i Maroc ny Makis de Madagascar
Tsy tafavoaka tao amin’ny vondrona “B” nisy azy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiakarana “Top 8” eto Afrika. Lavon’i Maroc, 53 no ho 37, i Madagasikara. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Casa Blanca Maroc, ny lalao famaranan’ny sokajy “B”, izay nifanandrinan’ny Makis de Madagascar, sy ny […]
Fomba amam-panao malagasy: Vitsy ny manao ny ala volon-jaza, indrindra ny Mivoaka itany
Tafiditra ao anatin’ ny fomba amam- panao malagasy atao aorian’ny fiterahana ny mivoaka itany sy ala volon-jaza. Vitsy anefa no mahafantatra sy manao izany ankehitriny. Manana fomba fanao amin’ny zaza vao teraka ny foko merina. Rehefa nifana herinandro ny mpiteraka dia entina mivoaka voalohany any an-tokotany ny reniny sy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Vahoaka marobe no tonga niatrika ny fampielezan-kevitry ny kandidà Harilala Ramanantsoa, teny Mahamasina, omaly. Resy lahatra ny vahoaka ary manantena fanovana sy fampandrosoana raha nandre ny fampahafantaran’ny kandidà ny vinany. Ho tanàna mandroso, milamina, madio, maitso, ary maha te honina moa ny teny filamatr’ity kandidà laharana fahafito ity. Anisan’ny nihaona […]
Andriamarotafika Soava – CENI : “Tsy manana fahefana hitsara na hanasazy “
“Tsy afa-mitsara na manasazy ny Ceni “, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny karazana fitarainana voarain-dry zareo momba ny fandikan-dalàna ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Tsy manana fahefana hanasazy ny Ceni, fa manao ny asa firaketana an-tsoratra ary mitondra izany any amin’ny rafi-pitsarana. […]






