Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, ny sabotsy teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra omby. Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, noho ny firongatry ny halatra omby. Ny 22 novambra 2024 tamin’ny 2 ora maraina, jiolahy iray tratra nitondra henan’omby iray manontolo tao Ambohibao, […]
Other News
Bel’Air -Talatamaty : mpitaingina kalesa maty voahosin’ny kamiao
Nipotsaka ny atidohany, niparitaka tamin’ny arabe ny vatany, ka maty tsy tra-drano ny lehilahy iray teny amin’ ny fokontany Amborompotsy- Bel’Air, kaominina Talatamaty, ny marain’ny sabotsy 23 novambra teo, tamin’ny 11 ora. Mpandalo eny amin’io lalana io ity tra-doza ity. Nitaingina tao anatin’ny kalesa ilay lasibatra, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. […]
Mpamono olona 2 lahy : namoahana didy fampisamborana
Voasazy higadra dimy taona, sazy mihatra, ireo mpamono olona roa lahy, namono sy nanolana olona samihafa. Izay ny vokatry ny fitsarana azy ireo, tao amin’ny fitsarana ambony, sampana misahana ny ady heloka bevava Toamasina, ny talata 19 novambra teo. Tsy tonga niatrika ny fitsarana izy ireo ka namoahana didy fampisamborana. […]
Andrefan’Ambohijanahary: telo mianaka maty nianjeran’ny trano
Telo mianaka namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny tamboho tamin’ny tranon’izy ireo, teny Andrefan’ Ambohijanahary. Nandritra ny orambe no nisehoan’izany, afakomaly vao maraimbe. Niara-maty, nianjeran’ny trano fonenan’izy ireo teny Andrefan’Ambohijanahary, afakomaly, ny olona telo mianaka. Renim-pianakaviana 68 taona sy ny zafiny roa lahy, 18 taona sy 21 taona izy ireo. […]






