Nitrangana firehetana tanety teny amin’ny manodidina ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, omaly tolakandro. Tsy fantatra ny niandohan’ny firehetana fa ny afo efa nijoalajoala no nahataitra ny manodidina. Voatery niato mihitsy aloha ny sidina noho ny fifehezana ny afo. Niverina tamin’ny laoniny ihany anefa izany. Mandeha ny famotoran’ny zandary. Tafakatra dimy ny […]
Other News
Mpitady vatosoa : lehilahy maty tototry ny tany
Raim-pianakaviana iray no maty nihotsahan’ny tany tao amina toeram-pitrandrahana vato sarobidy, ao amin’ny fokontany Andrany, kaominina ambanivohitr’Amboriala, distrikan’i Vohémar, ny 18 novambra 2024 teo. Nampandre ny zandary ao amin’ny poste fixe ao Amboriala ny sefo fokontany Andrany momba ny fisiana fatina lehilahy iray ao amin’ny kariera ao Ambohibala, 15 km […]
Nanara-dia dahalo : olona dimy maty voatifitra
Mahery vaika ny asan-dahalo ao amin’ny distrikan’Ambovombe, Faritra Androy. Vatan-dehilahy miisa dimy, anisan’ireo nanara-dia dahalo mpangalatr’omby, maty voatifitry ny olon-dratsy, afakomaly. Nitrangana asan-dahalo mahery vaika tao amin’ny kaominina Imamombo, distrikan’Ambovombe, ny alin’ ny 14 novambra lasa teo. Noraofin’ireo olon-dratsy mitam-piadiana ny omby tao amin’io toerana io. Nanara-dia ny fokonolona. Niara-nisalahy […]
Anosizato Atsinanana II : fatin-jaza nariana tao anaty harona plastika
Roa vavy hitan’ny fokonolona nanary fatin-jaza teny Anosizato Atsinanana, omaly. Mpaka fako no nanokatra ny fonosana. Fatin-jaza niaraka amin’ ny ahitra, hitan’ ny fokonolona teny amin’ny elanelan-trano anatin’ny fokontany Anosizato Atsinanana II, omaly tamin’ny 11 ora atoandro. Vehivavy roa no nisy nahita nanipy harona plastika niloko fotsy teo amin’ io […]






