Other News

FANAMBOARAN-DALANA : mitohy anaty fotoam-pahavaratra

Maro ny ampahan-dalana efa vita eto Antananarivo, fa mbola mitohy koa ny asa, na fahavaratra aza ny andro. Anisan’ny vao vita tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity ny eny amin’ny BOA Ampan­drana, mandalo Bel’Air, hatrany amin’ny Paositra Amba­nidia. Toraka izany koa ny eo amin’ny sampanana Ankatso, Antanimora, Mausolée, hatrany Ampasampito. Anisan’ny ampahan-dalana […]

Laboratoaram-pambolena : fiofanana momba ny ISO 17025

Nanomboka omaly 24 oktobra, teny amin’ny Laboratoaram-pirenena mikasika ny fanadihadiana amin’ny zavamaniry sy ny biby (LNDV) Anosimasina Itaosy, ny atrikasa fiofanana ho an’ireo teknisianin’ny laboratoara momba ny fambolena sy ny sakafo. Voakasik’izany ny vokatra ara-pambolena sy sakafo eto an-toerana azo aondrana any ivelany, voafaritry ny mari-pamantarana «ISO 17025» sy ny […]

Maitsoahitra: tafakatra 3 100 Ar ny kilaon’ ny vary makalioka

Tafiditra tanteraka ao anaty maitsoahitra isika, fotoana mampidangana ny vidim-bary. Ampy kosa anefa ny tahiry eny amin’ireo mpaninjara mivarotra izany avy amin’ny orinasam-panjakana SPM. Misy karazany maro sy azo isafidianana ny vary eny amin’ny mpaninjara. “Tsy tokony hanana ahiahy isika mpanjifa fa misy ny vary”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny mpiray tanindrazana hivavaka ho an’ny firenena ny Hetsiky ny mpitondra fivavahana. Hotanterahina etsy Antsahamanitra anio tolakandro izany. Nambaran’izy ireo fa fotoana itondrana am-bavaka ny olana mandalo eto amin’ny firenena izany. Mandeha hatrany ny fifidianana na tsy hanao aza ireo kandidà 10, araka ny nambaran’ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka […]

Zotram-pifidianana : mafana ny rantsamangaikany ny Ceni

“Ny maha zava-dehibe izao fanofanana ny mpampiofana izao, ahazoana mahafantatra ny votoatin’ireo antontan-taratasy sy rindrambaiko. Izy ireo ihany koa no hampiofana ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana”. Io no nambaran’ ny filohan’ny Ceni, Andria­narisedo Dama Arsène, nanomboka ny fanofana ireo rantsamangaikan’ny Ceni tany Mahajanga, faritra Boeni, afakomaly, izay nifarana omaly. Iankinan’ny fahombiazan’ny fifidianana […]