Other News

VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 8 febroary izao, ny fiofanana maimaimpoana miompy trondro, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby, manomboka amin’ny 8 ora 30 mn. Mahakasika ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafon-trondro, ny famokarana zana-trondro tilapia sy karpa ny fotoana. Eo koa ny fitantanana. Miisa 28 000 ny zana-kazo ambolena […]

Lalam-pirenena RN1: nohamafisina ny tetezamby Antanetimboahangy

Ankoatra ny fametrahana tetezamby, misy asa fanampiny ihany koa ataon’ny Fitan­ta­nam-paritry ny asa vaventy (DRTP) Itasy, any Antane­tim­boahangy Analavory, amin’ny lalam-pirenena voalohany, RN1, eo amin’ny PK 104+800, nanomboka omaly 5 febroary. Nohamafisina ny andrin-tany ao ambanin’ilay tetezamby, izay marihina fa arabe niho­tsahan’ny rano, vokatry ny orambe. Nametrahana rari­hazo sy gonim-pasika, […]

Fanatsarana ny fiompiana: tokony hihoatra ny 10 kilao isan-taona ny fihinanan-kena

Natao, omaly, teny Ampandrianomby, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny kojakojam-piompiana ho an’ny tantsaha. Vola madiodion’ny fanjakana ny nahazoana azy ireo, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Avy amin’ny fiompiana ny 60%-n’ny fidiram-bolan’ny tan­tsaha eto amintsika. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hampiakarana ny famokarana, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tantsaha, hanatsarany ny […]

TARATRY ny KANTO

Bolo etsy amin’ny Ethnika Analakely. Ilay hira “Ravitoto” no nahazoan’i Bolo ny amboara tao amin’ny sokajy “pop solo”, nandritra ny “RDJ Mozika 2023”, ny alahady teo. Ho fankasitrahana ny mpankafy ny fiarahana hatao ny sabotsy 10 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana amin’ity “show […]