Other News

Fivorian’i Afrika sy ny ligy Arabo: handray anjara i Madagasikara

Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana an-tampony voalohany iarahan’i Afrika sy i Arabie Saoudita. Eo koa ny fihaonana an-tampony fahadimy eo amin’ny firenena Arabo (Ligue Arabe) sy i Afrika, hatao ao Riyad, ny faha-10 sy ny 11 novambra izao. Tanjona amin’izany ny hijerena ireo fomba […]

Vondron’ny kandidà: ho eny Ambohitrimanjaka ny “Hetsika fotsy”

Hitohy anio indray, ny hetsik’ireo Vondron’ny kandidà, ka hifamotoana eny amin’ny tetezan’Ambohitrimanjaka izy ireo, anio, manomboka amin’ny 11 ora atoandro. Tsy mbola voafaritra tahaka ny mahazatra ny toerana aleha sy ny hizorana amin’izany. Efa nialohavan’ny fihaonana sy fivoriana samihafa izany ny talata sy alarobia teo. Anisan’izany ny dinika mikaton-trano nifanaovan’ireo […]

Governemanta: manameloka ny fidirana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny governemanta, omaly. Nohelohin’izy ireo tanteraka ny fikasana hanao korontana amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Manao antso avo ny governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika”, hoy ny fanambarana. Niantso […]

Fampiasam-bolan’ny kandidà : Miantso fanaraha-maso ny TI-IM

“Telo herinandro izay ny fampielezan-kevitra. Volabe tsy fanta-piaviana no ampiasain’ny kandidà sasany”, hoy ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Mada­gas­car (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fampiasam-bolan’ny kandidà. Efa roa taona izay ny TI-IM no nitaky ny hanova ny lalàna mifehy ny fifidianana mba hampitovy tantana ireo kandidà. […]

Ceni : “Diso ny hoe misy PV efa vita sonia”

“Tsy mitombina izany raha ny fomba fiasan’ny Ceni. Tsy mbola nisokatra hatramin’izao ny PV, fa mbola ao anatin’ny “palette” nametrahana azy”, hoy ny avy eo anivon’ny Ceni, miahy ny faritra atsimon’ny Nosy, Razafimamonjy Laza Rabary. Namaly bontana ny nambaran’ny mpanao politika fa misy fitantanana an-tsoratra (PV) voka-pifidianana efa vita sonia. […]