Governemanta: manameloka ny fidirana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny governemanta, omaly. Nohelohin’izy ireo tanteraka ny fikasana hanao korontana amin’ny fidirana an-keriny eo amin’ny kianjan’ny 13 mey.

“Manao antso avo ny governemanta amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra mba hiaro ny fiandrianan’ny vahoaka malagasy hifidy izay hitondra ny firenena sy ny fenitra demokratika”, hoy ny fanambarana. Niantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara, mba ha­nohy ny fanohanana ny fikarakarana ny fifidianana, ho fanajana ny tetiandrom-pifidianana, araka ny Lalàmpano­renana koa, ny eo anivon’ny governemanta, tamin’ny fanambarany.

Tsiahivina fa efa nandrangaranga ny hanao hetsika eny amin’ny kianjan’ny 13 mey, ny sabotsy ho avy izao, ny Vondron’ireo kandidà. Nivoitra tamin’ireo lahateny nifandimbiasana teny Antsonjombe izany, ny herinandro teo. Nambaran’ny kandidà, Ratsietison Jean Jacques, tamin’izany fa tsy faritra mena ny eny Analakely. Anisan’ny nandaha-teny koa i Monja Roindefo fa hitondra ny ampahan’ny fanalahidy amin’ny fidirana eny amin’io kianja io, noho izy anisan’ny mpandray anjara tamin’ny “Raharaha 2009”.
Tsy ho kianjan’ny korontana Antananarivo
Etsy andaniny, ny depiote “Del kely” nanitrikitrika fa hampiakarina ambony kokoa ny maripanan’ny hetsika, manomboka izao.
Na izany aza, efa ambeti-tenin’ny eo anivon’ny prefektiora ny tsy fanekena ny hanaovana hetsika eo amin’io toerana io. Tahaka izany koa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra. “Aoka ho sarotiny sy ho saro-piaro amin’ny tanàna isika mponin’Anta­nanarivo. Misy mikasa hanao an’Antananarivo ho kianjan’ny korontana sy ny tetika ara-politika indray”, hoy izy, ny 1 oktobra teo.

Randria

Partager sur: