Other News

Toekarena aty Afrika: mpiara-miombon’antoka voalohany i Sina

Firenen-dehibe manana ny toerany aty Afrika i Sina. Anisan’ny tena mampisongadina azy ny fananganana fotodrafitrasa goavana, amin’ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP). Araka ny tatitra nataon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny 10 oktobra 2023 teo, miroborobo ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Sa­hara sy i Sina, […]

TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny “Top Gasy”. Fampisehoana goavana nokasaina hotontosaina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ity. Noho ny toe-draharaham-pirenena no voalazan’ny mpikarakara fa nanafoanana izany. Tombanana kosa ho nanampy trotraka ny tsy fahafahan’ireo mpanakanto, izay manao fampielezan-kevitra ny ankamaroany. Saika ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana mantsy no nalahatry ny […]

Hira, fanentanana… : mpanakanto feno i Sylange kilalaky

Raharimalala Laurence Sylvie, no tena anaran’ny tovovavy. «Sylange kilalaky», kosa eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Izy no vehivavy anisany nisantatra ny fiangaliana ny fihirana sy ny fandihizana ny kilalaky, mampiavaka ny Faritr’i Menabe, izay niaviany. Manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana hira sy ny fanentanana anatina fampisehoana an-tsehatra ihany koa izy. Ankoatra ny […]

Balade Mentale: hitaona ny olona hamantatra ny tenany no tanjona

Miavaka kely ny ranty atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpitsidika azy ireo, manomboka anio. “Balade Mentale”, fampirantiana mitondra ny mpitsidika hamantatra ny tenany, amin’ny alalan’ny haikanto maro samihafa. Misokatra manomboka anio, ary tsy hifarana raha tsy ny 25 novambra 2023, ny fampirantiana “Balade Mentale” an-dRalam­boson Arilala Ophélia, mpahay kanto, […]