Natao sonia, omaly, ny fifanarahana teo amin’ny orinasa fiantohana Ny Havana sy ny Airtel money. Nanatanteraka izany ny tale jeneraly (DG) ny Airtel money, Randrianarison Heritiana, sy ny DG ny Ny Havana, Razakamanana Nanjatiana. Azon’ny rehetra atao ny mandoa ny saran’ny tolotra fiantohana ao amin’ity orinasa ity amin’ny Airtel money. […]
Other News
Delestazy : nampahafantarina ny tranga hamehana
Ankoatra ny olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina, mitoetra koa ny lafiny famatsian-jiro. Nambaran’ny filoha Rajoelina, omaly, ny tranga noho ny hamehana, “cas d’urgence”, amin’ny herinaratra. Nivory niaraka tamin’ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nanatrika tao koa ny mpisehatra rehetra amin’ny angovo sy ireo mpitantana ny […]
Nifanenjehan’ny olona : mpangalatra vomanga matin’ny fitsaram-bahoaka
Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy iray nangalatra vomanga teny an-tsaha, tao amin’ny fokontany Fenoarivo, kaominina ambanivohitr’i Besakoa, distrikan’i Bekily, ny alakamisy alina teo. Tratran’ny tompom-boly izy tamin’io alina io satria matetika very ny vomanga maniry eny an-tanimboly ka nahatonga azy nanara-maso ireo mpangalatra ahina ho tompon’antoka amin’izany. Nanohitra sady nikasa hamono […]
Nanapa-doha : mpampianatra iray maty voatifitry ny zandary
Rotiky ny balan’ny zandary ny mpampianatra iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanapahan-dohana mpampivelona tao Nosilava Farafangana, ny alakamisy teo. Nentiny ny lohan’ity renim-pianakaviana ity raha najanony ny vatany… Lavon’ny balan’ny zandary tao Nosilava Ambohimandroso, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy teo, ny mpampianatra mpanampy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina ny 2 hatramin’ny 28 novambra 2024, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « Invitation Aux Temps » tontosain’i Finoana Ratovo Andriantseheno. Hosodoko sy sary sokitra maneho fiarahamonina anjakan’ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana no hasehony ao anatin’izany. Hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, anio, mandritra ny hetsika « Focus Fantasia », […]






