Nampahafatarin’ny Federasiona malagasin’ny taranja volley-ball (FMVB), omaly, tetsy amin’ny Telma Andraharo, fa hampiantrano ny fihodinana faharoa ny fifaninanana afrikanina, taranja volley ambony torapasika «beach-volley», aty amin’ny faritra fahafito, i Madagasikara. Fifanintsanana izay hotanterahina any Mahajanga, ny 27 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, ary ny sokajy Senior, lahy sy vavy, […]
Other News
Cosafa – Barea vavy : misy mpilalao mpilaravinahitra enina
Nivoaka omaly, tao anaty tambajotran-tseraseran’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Barea, vehivavy. Miisa 23 mirahavavy izy ireo no nantsoin’i Portez l’Hydrensia sy Ramiaramanana Haingomalala Ninette, mpanazatra ny ekipa nasionaly, ka ny enina amin’izy ireo dia milaravinahitra any ivelany avokoa. Ahitana mpilalao mifanintsana any Comores, […]
Basikety – « Road To Bal » : lavon’ny GNBC ny JKT Tanzania, mpampiantrano
Nahazo vokatra tsara nandritra ny fifaninanana “Road to ball”, taranja basikety, izay nanomboka omaly, tany Tanzania, ny Gendarmerie nationale basket-ball club (GNBC). Lavon’ny GNBC, 89 no ho72, ny JKT. Tsara fanombohana ny ekipan’ny zandary GNBC, omaly, tamin’ity fifanintsanana taranja basikety, “Road To Bal”, izay tontosaina any Tanzanie, ity. Lavon’izy ireo, […]
Famoahana setroka tafahoatra: 2 000 isan-taona ny fiara voasintona taratasy eto Antananarivo
Miaina tanteraka ao anatin’ny fahalotoan’ny rivotra ny firenena maro maneran-tany, tato anatin’ny taona maromaro izay. Voakasik’izany, indrindra ny renivohitra, noho ny habetsaky ny fiara sy kodiarandroa mifamezivezy. Anisan’ny miaina izany koa ny eto Madagasikara, anisany Antananarivo. Mahatratra 91% ny mponina maneran-tany no miaina miaraka amin’ny rivotra maloto. Ambony kokoa ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nomen’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, toromarika hiatrehina ny fifidianana ireo kandidà ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina avy any Bongolava sy ny distrikan’Andramasina, omaly, teny Faravohitra. Teo koa ny namahana ireo olana samihafa ary ny nametrahana ny paikady sy ny fampahafantarana ireo lalàna. Nanao fanambarana ny MTS any Mahajanga, fa manohana […]






