Other News

Antoetra : taolam-paty marobe hita tao anaty gony

Nahitana gony feno taolam-paty tao Ambatolahy fokontany Antoetra distrikan’ Ambositra, omaly tolakandro. Mpianatra avy nirava nianatra no nampandre ireo zandary mpanao fisafoana momba ny fisian’ireto taolam-paty marobe tanaty gony ireto. Nidina ifotony niaraka tamin’ny polisim-bohitra sy ny sefo fokontany niaraka tamin’ny fokonolona vitsivitsy ny zandary. Voamarina tokoa ny fisian’ireo gony […]

Bonarabe 67ha : tratra ireo andian-jiolahy mpanendaka

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha, omaly, ireo andian-jiolahy malaza ratsy amin’ny halatra sy ny fanendahana amin’iny faritra iny. Lehilahy iray no tonga nanao fitarainana tao amin’ny biraon’ny polisy (CSP7) 67 ha. Nitaraina fa niharan’ny halatra nataon’ireo olon-dratsy nitondra sabatra teo Bonarabe 67ha Avaratra […]

TSELATRA

Zaza iray tsy nahatsiaro tena ary olona enina naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Matsaborivato, lalana Ambalavary, kaominina ambanivohitra Ambalakirajy, omaly. Niakatra fiakarana ka nihemotra tampoka io fiara io. Nivadika ka nitera-doza. Vehivavy iray maty voatsindrona antsy tao Toliara Renivohitra, ny alin’ny talata 15 oktobra lasa teo. Nifamaly tamin’ny sakaizany […]

Antohomadinika : mpanao vola sandoka notanana am-ponja

Niakatra fampanoavana, omaly, niara-notanana vonjimaika any am-ponja ny mpanao vola sandoka roa lahy tratra tetsy Antaniavo-Antoho­madinika, boriboritany voalohany. Mody nividy sigara tamin’ny mpivarotra teny amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka mampitohy an’Anto­homadinika sy Mahitsy izy roa lahy, ny talata 15 oktobra teo. Nanolotra vola 20 000 Ar ho an’ny mpivarotra ireto farany ka […]

Nanakorontana sekoly : efa-dahy nifanjehana anaty ala kakao

Efatra lahy samy tsy mianatra intsony nitora-bato ny mpianatra tao amin’ny Lisea Tsiaraso, fokontany Ambatomenavava, kaominina Ambanja , omaly maraina. Nandritra ny fotoam-pianaran’ny mpianatra, nitondra vato avokoa ireo andian-tovolahy ireo. Nitora-bato ny mpianatra. Nisavorovoro vokatr’io ireo mpianatra rehetra teo anivon’ny lisea, araka ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Nandositra avokoa […]