Other News

Fangalaran-tany : “Tsy maintsy ravana ny tambajotrana “

Olana sedrain-dRamalagasy ny ady tany, izay sokajiana ho ady madio eny amin’ny fitsarana. ”Havadika ho ady heloka izany ka tsy maintsy ravana ny tambajotran’ny mpangala-tany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Fanamby goavana! “Mila apetratsika ary mila ravantsika ireo tambojotra rehetra anatin’ny fangalarana tanin’ny vahoaka. Hora­van­tsika izany tambajotra izany.”, hoy ny […]

TSELATRA

Mpizahatany teratany vahiny mivady niharan-doza rehefa nikasa hitsidika ny Tsingy tany Belo Tsiribihina, afakomaly. Nandeha mafy ny fiara nitondra azy mivady ka tra-doza. Naratra tao amin’ny lamosiny ilay vehivavy Italiana. Tsy nisy aina nafoy. Olona iray maty nodoran’ny dahalo velona tao amin’ny kaominina Ambolotarakely, distrikan’Ankazobe, ny alatsinainy 14 oktobra teo. […]

Notoranina tamin’ny Rôrô : vehivavy naolana tao anaty hotely

Ravan’ny polisy notarihin’ny kaomandin’ny Fip Toa­masina, ny kaomisera Rafalia­rivo Jules, tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe Sylvano, 21 taona. Nandritra ny hetsika “THB Tours” teo anoloan’ny Araben’ ny Fahaleovantena no saika hanatanterahin’ity jiolahy ity ny tsatok’antsy tamina olona iray, ny sabotsy. Mbola nitohy […]

Manerinerina : lehilahy votsotra teo an-tanan’ny dahalo

Tafatsoaka tampoka teo am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny ny lehilahy iray, tao Manerinerina, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga tao amin’ny zandary ao Mahatsinjo ny lehilahy iray, anisan’ireo nalain’ny dahalo an-keriny tany Amboditetina Andranomiely, ny 13 oktobra 2024 teo. Tao anatin’ny fanadihadiana tsotsotra azy no nitantarany tamin’ny […]

Ahina ho novonoin’ny mpampiasa azy : lehilahy maty novelesina biriky sy bois rond

Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny tapa-bolana, namoy ny ainy, ny lehilahy iray voatoroka ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy, tetsy Alakamisy-Anosiala. Nitory ny fianakaviany. Tovolahy 29 taona namoy ny ainy ny alatsinainy 14 oktobra teo, vokatry ny daroka biriky sy bois-rond nahazo azy, tao amin’ny fo­kon­tany Tsarahonenana, kaominina Anosiala, distrikan’Am­bohi­dratrimo. […]