Other News

Ambohimanambola : ho vita mialoha ny maintany 2025 ny toby 105 MW

Tafiditra ao anatin’ny vahaolana hiatrehana ny tsy fahampian’ny herinaratra ny fananganana toby mpamokatra fanampiny eny Ambohi­manambola, manana tanjaka 105 MW. Nijery ifotony ny fizotry ny asa fananganana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Jean Baptiste Olivier, ny 11 oktobra teo. Tokony ho vita amin’ny fiandohan’ny taona 2025 ny asa, […]

Olan’ny rano : tafatsangana ny rafitra mpanara-maso

Taorian’ny fanambaran’ny filoham- pirenena, Rajoelina Andry, nijoro ny 9 oktobra teo ny rafitra manokana Vondrona fibaikona sy fanaraha-maso, hamaha ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina, amin’izao vanim-potoan’ny maintany izao. Hita ao anatiny ny avy amin’ny minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana (MEAH), ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy […]

Ankarafantsika : novatsiana fitaovana miaro amin’ny afo ny mpisafo ala

Anisan’ny tena marefo amin’ny doro ala ny Valanjavaboahary Ankarafantsika. Nohamafisina ny fiarovana amin’ny afo sady nampitaovana ny mpisafo ala. Toerana saro-pady amin’ny afo ny any Maha­janga, toy ny Valanja­vaboahary Ankarafantsika. Nanolotra fitaovana sy kojakoja ho an’ny mpisafo ala ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, i Max Andonirina […]

Baolina kitra, vehivavy-« Cosafa 2024 » :haka mpilalao mpilaravinahitra ny federasiona

Nambaran-dRandria­manam­pisoa Alfred, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baol­ina kitra (FMF), omaly, tany Maroc, fa handray anjara amin’ny fifaninanana afrikanina “Cosafa”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Mada­gasikara. Nilaza izy fa hiavaka kely ny amin’ity, hanafatra mpilalao mpilaravinahitra any ivelany ny federasiona mba hanamafy ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Raha ny filazany, maro […]

JJB-Fight Cage : hifanandrina amin’ny Renioney ny Malagasy

Hatao ny 1 novambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Ma­hamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Fight Cage”. Ny mpikatroka avy any La Réunion no hifanandrina amin’ ny Malagasy. Ny Guerreros Team no mikarakara ny fifaninanana ary miara-misalahy amin’izy ireo amin’izany ny Federasiona malagasin’ny Jiu-jitsu Breziliana sy ny Kao­misiona malagasin’ny Panc­race. Taranja 3 […]