Other News

TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana sy sprinter nifandona teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra-Ivato, omaly. Naratra mafy ny mpamilin’ilay sprinter. Nandeha mafy, naharenesana fofona alikaola ny mpamilin’ilay fiara tsy mataho-dalana, araka ny loharanom-baovao. Lahiantitra tratra namaky tranon’ny mpianatra tao Ambalanantsotry, kaominina Mandritsara, omaly maraina tamin’ny 2 ora sy sasany. Nandeha nody any ambanivohitra ny […]

Ben’ny tanàna teo aloha matin’ny dahalo : mitaky ny hamerenana ny omby 95 ny fianakaviany

Mitaky ny hamerenana ny omby 95 nangalarin’ny dahalo ny fianakavian’ny ben’ny Tanàna teo aloha tao amin’ny kaominina Ampamata, omaly. Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihana mitam-piadiana ny alin’ny zoma 20 septambra teo, io ben’ny Tanàna teo aloha io. Noro­bain’ny dahalo ny ombiny mitotaly 95 niampy omby ta­min’ny fokontany hafa. […]

Tanjombato : trano fanaovana fanaka may

Nitrangana haintrano goavana indray teny Tanjombato, ny sabotsy tamin’ny 1 ora maraina teo ho eo. Trano lehibe fanamboarana fanaka ity kila hotohoton’ny afo ity. Tsy nisy noraisina intsony ny entana rehetra niaraka tamin’ireo fitaovana ary fanaka efa vita kasaina hamidy. Haingana ny fiitaran’ny afo ka niampita tamin’ireo trano teo amin’ny […]

Lehilahy nalefa any am-ponja : zaza miisa fito nasesiny naolana

Telo taona ny zandriny indrindra amin’ireo zaza miisa fito naolan’ny lehilahy iray. Tratra tao Mahajanga ity farany ary notanana am-ponja. Voasambotry ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny fitaleavam-paritra Boeny ny lehilahy iray nanolan-jazavavy miisa fito tao amin’ny fokontany Anta­namalandy, kaominina Ma­hajanga, ny 11 oktobra teo. Anisan’ny nananan’ny fianakaviana fahatokisana ity lehilahy […]