Sarona tao anaty vela-pandriky ny zandary tao Anilobe Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano, ny alatsinainy teo, ireo mpaka an-keriny, tompon’antoka tamina fakana an-keriny ankizy varira iray. Lasan’ireo dahalo mpaka an-keriny ny sabotsy 12 oktobra 2024 lasa teo ity ankizy varira valo taona ity, tao Mahitsy, fokontany Fotsivato Lohafary, Vangaindrano. Niroso tamin’ny fikarohana […]
Other News
SOMBIM-BAOVAO
Hatao rahampitso, eny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy rugby Andohatapenaka, ny antsapaka hahalalana izay hifandona eo amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho tompondaka «Top 20». CRAI, Rosa, FTAT, JSTA, CEA, 3FAI, XV Avenir, XV Fa, no hiatrika izany. Lalao hatao ny 10 novambra ho avy izao, ao amin’ny Kianja Malacam. Notanterahina nanomboka […]
« Ligue des Champions 2025 » : hanala vela amin’ny Bayern ny Barcelone
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianjan’ny Olympique Lluis Companys Espagne, ny fifanandrinan’ny Fc Barcelone, klioba espaniola, sy ny FC Bayern Munich, Alemà. Lalao izay tafiditra amin’ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2025 (LDC)”, taranja baolina kitra. Mbola manala vela amin’ireo bavaroa ny ekipa mpampiantrano amin’ity fihaonana […]
Taekwondo – “Mada 2024”: 500 mahery ny mpifaninana
Ny 30 oktobra hatramin’ny 1 novambra ho avy izao, any Mahajanga, no hatao ny fifanintsanana nasionaly amin’ny taranja taekwondo. Araka ny vaovao voaray omaly, avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT (FMTKD), mahatratra 500 mahery ireo mpikatroka hifaninana any an-toerana. Araka ny nambarany hatrany, avy amin’ny ligy fito izay mandrafitra […]
Handball – «Mada Sénior 2024» : niala an-daharana ny Asco Toliara
Ekipa iray goavana no tsy miatrika ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja handball, sokajy Sénior, ny Asco Toliara. Tsy tonga ihany koa ny CHM Boeny teo amin’ny lalao voalohany tokony ho nataony, omaly. Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball, sokajy Sénior, lahy sy vavy. […]







