Other News

Rugby vehivavy – «Mondial D3» : tsy nahatohitra ny Samoa ny Makis Ladies

Faharesena telo tamin’ny lalao telo no vokatra azon’ny Makis Ladies nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka ma­neran-tany “Mondial”, taranja rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina tany amin’ny kianja Dubai Stadium, omaly. Niondrika tamin’ny isa, 46 no ho 15 nanoloana an’i Samoa ny Malagasy. Na teo aza ny faharesena, […]

«Danse sportive »; hatao any Toamasina ny Mada 2024

Hotontosaina ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao, any Toamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja dihy ara-panatanjahantena “Latine” sy SBK (Salsa, Bachata, Kizomba). Efa nisy ny fidinana ifotony tany an-toerana notarihin’ny filohan’ny federasiona, Randrianarisoa Rijamanitra, ny herinandro lasa teo, nijerena izay fomba hanatanterahana araka ny tokony ho izy ity […]

Baolina kitra- “Can 2025” : manana isa roa anaty vondrona “A” ny Barea de Madagascar

Very tany amin’ny ora farany ny fandresena tokony ho azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tany Maroc. Nanao sahala, 1 no ho 1, tamin’ny Scorpion Gambie, ny ekipa nasionaly malagasy. Niampy iray indray ny isa azon’ny Barea de Ma­dagascar, omaly, tao amin’ny kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc. Nanao ady sahala, […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, ao amin’ ny Petit Palais des Sports Mahamasina, ny fampisehoana iarahana amin’ny Rheg The Gang. Fampi­sehoana handrenesana gadona metaly rano iray izy ity. Ankoatra ny fampisehoana, fotoana ahitana voalohany ny rakikiran’ny tarika ihany koa. Anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, no ahitana ny velakevitra iresahana […]

AFT Andavamamba : hisy ny fampahafantarana ny «Betro Elektriky»

Tanterahina eny amin’ny Alliance Française d’Antana­na­rivo (AFT) Andavamamba, ny 23 oktobra 2024, ny fampisehoana ny «Betro Elektriky» iarahana amin’ny ekipan’i Nazaria Tooj. Anisan’ny famokarana ao anatin’ny «Projet Dihy» izy ity. Tetikasan-javakanto ahitana dihy, hira, mapping ary horonantsary. Ireo karazan-javakanto ireo no natambatra ho iray ka nanome ny «Betro Elektriky». Anisan’ […]