Other News

raharaham-panjakana : nandray ny andraikiny ny tale vaovao

Tontosa ny zoma teo, tao amin’ny Lapan’ny faritra Atsinanana ny lanonana famindram-pitantanana eo amin’ny talem-paritry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hitantana ity sampandraraharaham-panjakana ity Rakotoa­rimampionona Judicael Rico. Voatendry taorian’ny filankevitry ny minisitra ny 25 septambra teo ny tenany ary handimby ny talem-paritry ny Fitaterana teo aloha, Andriantiana Théo Doris. […]

Famatsiana herinaratra : hihodina ny taona 2025 ny tobim-pamokarana ao Ambohimanambola

Hiasa manombola amin’ny volana jona 2025 ny tobim-pamokarana herinaratra ao Ambohimanambola. Hitondrana vahaolana fohy ezaka, hamahana ny olan’ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Vahaolana fohy ezaka. Hamokatra herinaratra 105 MW ity tobim-pa­mokarana herinaratra eny Ambohimanambola mandeha amin’ny solika mavesatra ity afaka valo volana. Natomboka ny taona 2022 ny fanamboarana saingy mitarazoka […]

Faha-25 taonan’ny CSLA : Klioba valo no tonga namaly ny antso

Nankalazaina teny amin’ny Epp Anosivavaka Ambohima­narina, ny sabotsy lasa teo, ny faha-25 taonan’ ny klioba tolona “Club sportif lutte Ambohi­ma­narina (CSLA)”. Ho fanamarihana izany, nisy ny fifanintsanana izay nokarakarain’izy ireo ho an’ny mpikatroka tolona sokajy zandriny, U13 ary U11, lahy sy vavy. Klioba valo no namaly ny antso tamin’ity hetsika […]

Basikety-N1A: nanao pao-droa ny ekipan’ ny GNBC

Nifarana omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A 2024, taranja basikety. Nanao pao-droa ny ekipan’ny Zandary, tamin’ity fifaninanana Elites 8 ity. Samy norombahin’ny GNBC avokoa ny fandresena, teo amin’ny sokajy lehilahy sy vehivavy. Raha hiverenana izay vokatra izay, nandresy ny MB2ALL Anala­manga, tamin’ny isa 77 […]