Other News

Fivorian’ny Antenimierampirenena : hafana ny adivehitry ny depiote momba ny sosialy

Hisokatra ny talata 15 oktobra izao ny fotoam-pivoriana faharoa eny anivon’ny Antenimierampirenena. Ani­san’ny fanapahan-kevitra an­drasana amin’ireo depiote ny momba ny sosialim-bahoaka. Eo aloha ny momba ny fepetra napetraky ny mpamatsy vola, Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), ny amin’ny tsy maintsy hampiakarana ny vidin-jiro sy ny hetra alaina amin’ny karama farany ambony ho […]

Praiminisitra Ntsay : “Hotanterahina anaty fitoniana ny fifidianana”

Namory ireo tomponandraikitra rehetra misahana ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny Praiminisitra Ntsay Christian, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny hafatrafatra napetrany tamin’izany. «Hiatrika dingana lehibe i Madagasi­kara amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao. Ao anatin’ny fitoniana sy ny filaminana tanteraka no tokony hanatanterahina iza­ny». Io ny hafatry […]

Tsaratanàna : trano 18 kilan’ny afo

Trano 18 hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Amparihimaina, kaominina Tsaratanàna, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 5 oktobra teo. Niainga avy amin’ny tokantrano iray tao amin’io tanàna io ny firehetana. Nandrivotra mafy rahateo ny andro ka nanao sarotra ny fifehezana ny afo. Nihitatra tamin’ny trano manodidina izany. Nihombo tamin’ny tafon-trano an’ny […]

Nandoa 43 tapitrisa Ar : roa lahy navotsotr’ireo mpaka an-keriny

Navotsotr’ireo dahalo mpaka an-keriny tao Manga­rivotra Sarotramalona, kaominina ambanivohitr’Amba­va­sambo, distrikan’Anjozorobe, omaly, ireo roa lahy nalain’izy ireo an-keriny. Taorian’ny fifampiraharahana nataon’ny fianakaviany tamin’ireo dahalo dia nandoa vola mitentina 43 tapitrisa Ar izy ireo ho takalon’ny havany ka izao votsotra izao. Ny 16 septambra 2024 izy ireo no nalain’ny dahalo an-keriny tao […]

Mpivady voaroba : lasa ny vola 1 000 euros sy 8 tapitrisa Ar

Jiolahy telo nirongo basy sy antsibe no niditra an-keriny tao amina tokantranona iray, monina ao Ampasimazava, Toamasina, omaly mitataovovonana. Teo am-pisakafoana izy mivady no niditra an-keriny sady nanambana basy ireo olon-dratsy. Notsindromin’ireo jiolahy ny antsy ny renim-pianakaviana sady nakapokapok’izy ireo tamin’ny rindrim-bato ny lohany. Lasan’ireo mpanafika ny vola vahiny 1 000 […]