Maty voatifitry ny polisin’ny Fip, notarihin’ny kaomisera Rafaliarivo Jules, tao Ankirihiry Toamasina, omaly, ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Andian-jiolahy maromaro no voalaza fa mampihorohoro ny mponina ao amin’ny fokontanin’ Ankirihiry sy Cité Haras hatrany Valpinson ary Andranomadio. Tsy mitsitsy mihitsy ry zalahy fa mitondra faisana avokoa izay […]
Other News
Hasarotam-piaro : lehilahy notondraham-badiny rano mangotraka
Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray notondraham-badiny rano mangotraka teny Alasora, omaly hariva. Nandritra ny fifamaliana teo amin’izy mivady no nitranga ity voina nihatra tamim-badiny ity. Voalazan’ireo olona mahafantatra ny fiainan’izy mivady ireto fa matetika manana olana an-tokantrano izy ireo. Miady sy mifamaly ary mifampikasi-tanana hatrany rehefa miady. Miasa amina orinasa […]
Fenoarivo Atsinanana: trano fito kilan’ny afo
Nitrangana haintrano tao Ampasina Maningory, omaly tolakandro. Trano miisa fito kilan’ny afo. Trano telo no niandohan’ny firehetana. Nifanome tanana namonjy ny manodidina ary namono io afo io ny mponina ao an-toerana. Niredareda anefa ny afo. Nihitatra tamin’ny trano manodidina. Nanangona rano tamin’ny zerikanina, samy nanao izay ho afany nifehezana ny […]
Very ny vola 200 000 Ar: Roa lahy voambana sabatra tanaty fiara
Mpitondra fiara voadidina fito lahy. Niditra an-keriny tao anaty fiara ny lehilahy iray ary nanambana sabatra. Nandratra ary nandroba ny vola ireo olon-dratsy, tetsy Andohatapenaka. Norobain’ny jiolahy tao anaty fiara ny lehilahy iray teny Andohatapenaka, ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Namonjy fodiana toy ny mahazatra […]






