Tonga eto Madagasikara, hivory mahakasika sehatra maro, momba ny toekarena ny delegasion’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), izay tahirin’i Frédéric Lambert, lehiben’ny iraka aty Afrika sy ny solontenan’ny FMI eto Madagasikara, Kodjovi Eklou. Nandray azy ireo, ny alatsinainy maraina teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, sy ireo […]
Other News
VAOVAO TAMBATRA
Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fifanakalozana ara-barotra i Madagasikara sy Egipta ho an’ny fampiroboroboana ny indostira sy ny fampandrosoana ny firenena. Samy manana vokatra tsara kalitao ny roa tonta ka ahazoana tombontsoa ny fampiakarana ny habetsahan’ny fifanakalozana. Vonona ny hiara-miasa hampivoatra ny famokarana eto Madagasikara ny Programme alimentaire mondial (Pam) amin’ny […]
Tapany Atsimo : fampandrosoana maharitra eny ifotony
Maro ny fotodrafitrasa vita any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Tanteraka izany vokatry ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed), tamin’ny alalan’ny Tantsoroka famatsiam-bola ho an’ny fambolena sy ny seha-pihariana ho an’ny rehetra (Afafi), tapany Atsimo. Misitraka izany ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanana. Anisan’ny zava-bita ny fanajariana […]
Olan’ny delestazy : nampanantsoina maika ireo tomponandraikitra
Voaantso teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny minisitry ny Rano sy ny fahadioavana ary ny fidiovana, ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, ary ny tale jeneralin’ny Jirama mahakasika ny olan’ny famatsiana herinaratra sy rano. Voaresaka nandritra ny fivoriana vonjimaika ny tsy maintsy hitondrana vahaolana fohy ezaka sy lavitr’ezaka hamahana ny […]
Afafi Afovoany : fampandrosoana ny eny ambanivohitra
Tohanan’ny Fandaharanasam-pirenena enti-manondro (PIN) sy ny Tahirimbola eoropeana ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Fandaharanasa Afafi Afovoany, ho fanoitra hampiroboroboana ny fambolena eny ambanivohitra. Misitraka ny fandaharanasa ny faritra Analamanga, Itasy ary Alaotra Mangoro. Miisa 5 455 ny tantsaha mpamboly legioma sy mpiompy akoho nahazo tantsoroka tamin’ny tetikasa Ambioka. Maherin’ny 6 […]






