Other News

Tselatra

Lehilahy iray niampita tampoka, maty voafaokan’ny moto teny Marais Masay, omaly maraina. Nandeha mafy ilay  mpitondra moto. Nipoitra tampoka tamin’ny toerana tsy fiampitana anefa ilay lehilahy ka avy hatrany dia nifatraran’ny moto. Tapa-tanana ilay vazaha nandona ka nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly. Olona telo voasambotra atao fanadihadiana momban’ny vono olona […]

Vaky fasana : Razana 15 nosavoritahan’ny jiolahy

Fasana iray novakian’ny olon-dratsy tao Miadaman­jaka, fokontany Tsaravondro­na, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, ny alin’ny alatsinainy 11 septambra teo. Mpandalo iray no nahatsikaritra fasana iray efa nisokatra, ny talata hariva. Taitra, nampandre ny manodidina izy. Nijery ifotony ny tranga koa ny mpitandro filaminana ao an-toerana niaraka tamin’ny tompom-pasana. Voamarina, nandritra izany, fa tsy latsaky ny […]

Antsarakofafa : mpanendaka matin’ ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana iray hita faty tao Antsarakofafa Toa­masina, ny sabotsy teo. Nafenin’olona tanaty lobolobo amoron-tatatra ny razana ka simba tanteraka. Raha ny tatitra nampitain’ny teo anivon’ny polisim-pirenena, mpangalatra sady mpanendaka ao Ankirihiry akaikin’ny bazary may, ny sabotsy teo, ity niharam-boina ity. Tratran’ny fokonolona izy tamin’ny 8ora alina. Raikitra ny daroka sy […]

Tetezan’i Bekiraro: raim-pianakaviana voatsatok’antsy ny tendany

Voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray avy niasa, afakomaly alina. Vola 1 500 Ar anefa no tany aminy. Nalain’ireo jiolahy izany. Vola 1 500Ar famerim-bolana taxi-be no saika namoizan’ny raim-pianakaviana iray ny ainy teny amin’ny tetezan’i Bekiraro Isotry, afakomaly alina. Notsa­tohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny tendany raha iny handeha hody ho any Andrano­manalina iny. […]