Tetezan’i Bekiraro: raim-pianakaviana voatsatok’antsy ny tendany

Voatsatok’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray avy niasa, afakomaly alina. Vola 1 500 Ar anefa no tany aminy. Nalain’ireo jiolahy izany.

Vola 1 500Ar famerim-bolana taxi-be no saika namoizan’ny raim-pianakaviana iray ny ainy teny amin’ny tetezan’i Bekiraro Isotry, afakomaly alina. Notsa­tohan’ny jiolahy ny antsy teo amin’ny tendany raha iny handeha hody ho any Andrano­manalina iny. Avy nirava niasa izy ka nandalo teo amin’ny tetezan’i Bekiraro no nandrasan’ny jiolahy telo niaraka tamin’ny antsy. Tsy nisy resaka fa fandrahonana avy hatrany no nasetrin’ireo olon-dratsy azy. Noteren’ireo jiolahy ha­moaka vola sy finday. Nilaza ho tsy manam-bola izy fa famerim-bola avy nandehany taxi-be no misy any aminy. Tsy manana finday koa izy, araka ny nambarany tamin’ireo olon-dratsy. Romotry ny hatezerana ireo jiolahy sady nisava ny posiny. Lasa ny vola 1 500Ar tany amin’ilay niharam-boina.

Nihevitra hahita volabe ireo jiolahy

Tsy vitan’izay fa voadaroka izy no nazeran’ireo jiolahy tamin’ny arabe. Nohitsakitsa­hina sady notsatohin’iray nitazona antsy ny tendany. Soa ihany fa tsy tafalentika lalina ny antsy. Lasa nitsoaka ry zalahy rehefa avy nandratra ilay niharam-boina. Torana tsy nahatsiaro tena izy taorian’izay. Olona nahita azy tsy tafahetsika teo amin’ny arabe no nitondra azy namonjy hopitaly ka avotra soa aman-tsara ihany izy. Nihevitra ireto jiolahy ireto fa misy volabe any amin’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Tsy nahita izay notadiaviny afa-tsy 1 500Ar anefa ry zalahy ka izao saika hamono hahafaty azy izao.
Faritra anisan’ny tena mampitaraina ny olona amin’ny tsy fandriampahalemana iny tetezan’i Bekiraro sy ny manodidina iny.

J.C

Partager sur: