Ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Rasata Rafaravavitafika, no nitarika ny fivoriamben’ny Firenena mikambana tany New York, ny 22 septambra teo. Taorian’ny fanokafana ny adihevitra ankapoben’ny fihaonana an-tampony momba ny hoavy izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny eto an-toerana. Fotoana manan-tantara ho an’i Madagasikara ny nanendrena azy ho filoha […]
Other News
Ho lova tsy mifindra
Mbola tsy manomboka akory ny lalao dia efa raikitra ny fifamotehan’ny samy kandidà ho ben’ny Tanàna. Tsy ny eto an-dRenivohitra ihany fa hatrany amin’ireo heverina ho kaominina faran’izay madinika sy lavitra andriana aza. Tsy ny mpifanandrina politika, fa hatramin’ny mpiray lisitra sy antoko aza dia misy manao mpamosavy malemy. […]
Firotsahan-kofidina: tsy misy 48 ora hamenoana ny banga aorian’ny 26 septambra
Hikatona rahafakampitso ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ben’ny Tanàna. Tsy misy intsony ny indrafo aorian’izay ho an’izay tara. “Io 26 septambra io no farany. Izay hatrany no mahatonga anay manentana hoe aza miandry farany fa alefaso aloha… Raha vao tonga ny 26 septambra, tsy misy intsony ny fanomezana 48 ora.” […]
TSELATRA
Tratran’ny zandary teny Vontovorona, omaly, i Saoly sy ny namany tompon’antoka tamina vaky trano teo akaikin’ny tetezana hiditra ny tanànan’i Vontovorona. Nitondran’ireo jiolahy sarety mihitsy ireo entan’olona avy nangalariny. Nilaza izy ireo fa hamidy eny Anosibe ireto entana halatra ireto. Vao nivoaka ny fonja izy ireo dia izao nanohy ny […]
Mananjary : olona roa may, trano 52 kila
Nitrangana haintrano indray tao Tanambao Mananjary, afakomaly. Tokantrano miisa 52 no levon’ny afo, 218 ireo tsy manan-kialofana. Voalaza fa mpianatra avokoa ny 82 amin’ireo niharam-boina ireo. Anisan’ireo levon’ny afo ny fiara efatra, moto iray ary entana maro mitentina an-tapitrisa tao amin’ireo tokantrano. Ahitana olona marefo ihany koa amin’ireo niharam-boina (vehivavy […]






